Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fihezahezana: (hezaheza) a,: Fijoroana, fitsanganana misalasala tsy mandroso tsy mi-hem otra. Ahitsio
Fihiaka: (hiaka) a.: Fomba entina mihiaka, na mihaika, mihantsy ady. •Voromahery. Ahitsio
Fihibohana: (hiboka) a.: Fihidiana ao amin'ny toerana iray; fijanonana maharitra, fifantsihana amin'ny asa. Ahitsio
Fihiboka: (hiboka) a.: Fomba entina mihiboka, na mihidy ao amin'ny toerana iray, Ahitsio
Fihidiana: (hidy) a.: Fotoana na andro mampihidy ny trano, vavahady, lalana...: Misy fanamboarana hatao ka hateloana no fihidian'ny lalana mianatsimo, Ahitsio
Fihidy: (hidy) a.: Toetran'ny trano mihidy. Ahitsio
Fihifihana: (hifika) a: Fialana, fandavana ka mampihetsiketsika ny loha. Ahitsio
Fihifihiana: (fihifihy) a.: Fangovitana, fihararetana, fahakepohan. Ahitsio
Fihifihy: a.: Fangovitana noho ny hatsiaka, fiampifiana no-ho ny tahotra, fllrararetan fa tandindomin-doza, fahakepahana, fangasihasiana. - t.i.f.: Mifihifihy, fifihifihy, mpifihifihy / ifihifihiana, fifihifihiana. Ahitsio
Fihifika: (hifika) a.: Fomba entina mihifika, na manozongozon-doha. Ahitsio
Fihiforana: (hifotra) a.: Fahafenoana, fahatampenana, fahatsentsenana: Tsy azo asiana kavina ny sofinao noho ny fihiforan'ny tevika. Ahitsio
Fihifotra: (hifotra) a.: Toetran' ny zavatra mihifotra, feno, tampina. Ahitsio
Fihihirana: (hihitra) a,: Fiaretana mikiribiby manao zavatra: Noho ny fihihirany no nahazoany ooalohany tamin'ny fanadinana. Ahitsio
Fihihitra: (hihitra) a.: Toetra maharitra, miaritra. Ahitsio
Fihika: (hika) a: Toetran'ny olona mihika, ny olona voahidy ao amin'ny trano iray. Ahitsio
Fihikana: (hika) a.: Fihizinana ao anaty...; fahakendana. Ahitsio
Fihilana: (hilana) a.: Fomba fironana, fitongilanana. Ahitsio
Fihilanana: (hilana) a.: Firaikana, fironana, fitongilanana: Amin'ny iray sy sasany dia hita ny fihilanan'ny masoandro. Ahitsio
Fihilontrilona: (hilontrilona) a.: Ny fanjelanjelatry ny zavatra ixay. Ahitsio
Fihimohana: (himoka) a.: Fanakombonana ny vava tsy hihomehy. Ahitsio