Litera f
Fanasarana: (sara) a, : Fandoavana sarany (hofan-javatra tsy maharitra, miserana).
tohiny
Fanasarana: (sasatra) a. : Famizanana; fanelingelenana.
tohiny
Fanasarangotra: (sarangotra) a.: Fomba entina manasarangotra, manasingotra ny tanana, ny tongotra.
tohiny
Fanasarebahana: (sarebaka) a.: Fampirefarefana (ny lamba) amin'ny tany.
tohiny
Fanasarebaka: (sarebaka) a. Fomba entina manasarebaka, mampirefarefa (ny lamba) amin'ny tany.
tohiny
Fanasarirahana: (sariraka) a. Fanasaritahana, fampisafotofotoana, fanasavorovoroana.
tohiny
Fanasariraka: (sariraka) a. : Fomba entina manasariraka, manasavorovoro, manasaveravera.
tohiny
Fanasaritahana: (saritaka) a. Fanakorontanana, fampisafotofotoana.
tohiny
Fanasaritaka: (saritaka) a. Fomba entina manasaritaka, mampisafotofoto be ihany, manakorontana.
tohiny
Fanasarotana: (sarotra) a. : Fanaovana izay hahasarotra, hahakitokitoina, hahalafo.
tohiny
Fanasarotra: (sarotra) a. : Fomba entina manasarotra, mahatonga ho sarotra, manahirana, laf o.
tohiny
Fanasatrohana: Fanatrohana (satroka) a. : Fanomezana (zavatra) hatao satroka.
tohiny
Fanasatroka: Fanatroka (satroka) a. : Fomba entina manasatroka, manatroka.
tohiny
Fanasavembena: Fanavembena (savembena) a, : Fomba entina manavembena, mamezivezy, manasavilivily.
tohiny
Fanasavembenana: Fanavembenana a. : Famezivezena, fanasaviliviliana.
tohiny
Fanasavenavena: na Fanavenavena (savenavena) a. : Fomba entina manasavenavena, mampitanatana.
tohiny
Fanasavenavenana: (savenavena) a. : Fanokafana be, fanatanatanana.
tohiny
Fanasaveravera: (saveravera) a.: Fomba entina manasaveravera, , manasariraka (ny akanjo).
tohiny