Litera f
Fanakofana: (takotra) a Fanaronana amin' ny takotra.
tohiny
Fanakofohana: (kofoka) a: Fanetsiketsehana, fanofokofohana, fikapohana.
tohiny
Fanakofoka: (kofoka) a.: Fomba entina manakofoka, manetsiketsika, manofokofoka.
tohiny
Fanakohafana: (kohaka) a, : Famoahana amin'ny kohaka, fandrehofana.
tohiny
Fanakohaka: (kohaka) a.Fomba entina manakohaka, mamoaka amin'ny kohaka, mandrehoka.
tohiny
Fanakojena: (kojy) a. : Fitarihana (hanao ratsy), fanolikolena, fanangolena, fanangiana.
tohiny
Fanakolahana: (takolaka) a. Fitiliana olona amim-pitampifiana ambadiky ny zavatra iray mba tsy ho hita; fisafelehana,…tohiny
Fanakolaka: (takoiaka) a. Fomba entina manakolaka, mitily olona amim-pitampifiana ambadiky ny zavatra iray, ~ p.…tohiny
Fanakombona: (kombona) a Fomba entina manakombona, mampifanatona zavatra roa mihataka ka manao izay hifanaronany.…tohiny
Fanakombonana: (kombona) a : Fampifanatonana zavatra roa mihataka ka manao izay hifanaronany.
tohiny
Fanakonana: (takona) a. : Fanaronana, fandrakofana; fanakanana tsy habita, tsy ho hita.
tohiny
Fanakopohana: (kopoka) a. Fanofokofohana.
tohiny
Fanakopoka: (kopoka)a:Fomba entina manakopoka, manofokofoka. 1 p.t. : Azo akopoka.
tohiny
Fanakora: (akora) a. : Fomba entina manakora, maneso, mihoha. • p. t.: Tokony hakoraina, azo akoraina.
tohiny
Fanakorana: (akora) a. : Fihohana, fanesoana.
tohiny
Fanakorapahana: (korapaka) a. : Fampanaovana haingana, fandrotorotoana.
tohiny
Fanakorapaka: (korapaka) a. : Fomba entina manakorapaka, mampanao haingana, mandrotoroto.
tohiny
Fanakoretehana: (koretika) a. : Fanakorontanana, fanasafotofotoana; fanaovana rangotsaka ; fampiboredehana.
tohiny