Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fihenahenana: (henahena) a.: Fidongiana, fitokonana, fikiribibiana, fandavana. Ahitsio
Fihenana: (hena) a.: Fidinana, fitambotsorana: Rahoviana no hisy fihenany ny vidin' ny hena? ~ Fihavitsiana: Mahagaga ny fihenan'ny mponina amin'it? tanàna ity. 1 Fisintonana: Fihenan'ny rano tondraka. ~ Fandroronana, fitambotsorana: Manomboka ny fihenan'ny sain'ity antibavy ital. Ahitsio
Fihendratana: (hendratra) a.: Fahatairana, fientanana, fiantsamborana. Ahitsio
Fihendratra: (hendratra) a,: Fomban'ny olona mihendratra, mientana, miantsambotra. Ahitsio
Fihenikenehana: (henikenikn) a.: Fikofokofohana amin'ny tsinontsinona. Ahitsio
Fihenikenika: (henikenika) a.: Fikofokofoka amin'ny tsinontsinona. Ahitsio
Fiheninkenenana: (heninkenina) a.: Fisahiranana amin'ny raharaha madinika ao an-tokantrano izay mahatonga hihodinkodina eran'ny trano: Tsy miooaka mihitsy Rasoa ny maraina fa lany amin'ny fiheninkenenana eran'ny trano ny androny, Ahitsio
Fiheninkenina: (heninkenina) a.: Fomba entina misahirana amin'Ry raharaha madinikR ao an-tokantrano. Ahitsio
Fihenjana: (henjana) a.: Toetran'ny zavatra na olona mihenjana, toetran'ny olona manohitra. Ahitsio
Fihenjanana: (henjana) a.: Fihinjirana, tsy fiketrahana:Fihenjanan'ny tady. ~ Fahamafisana: Aza morainy loatra ianao; tokony hasiana fihenjanana kely ny fitondranao ny mpianatra. •Fidiridiry, fiziriziry: Tsy namaly a-ho fa nivoaka noho ny fihenjanan'ny heviny. Ahitsio
Fihenjena: (henjy) a.: Fandehanana etsy sy eroa tsy misy antony loatra; fitetezana lanonana sy korana samihafa eny rehetra eny. Ahitsio
Fihenjy: (henjy) a.: Fomba entina mihenjy, izany hoe mandeha etsy sy eroa tsy misy antony loatra. Ahitsio
Fihentohentoana: (hentohento) a.: Fisentosentoana, fito-]okolokoana, fitomaniana. Ahitsio
Fiherehana: (herika) a,: Fitodihana mankany ivoho, fijerena any aoriana: Raha hikasana hanao tsaratsara kokoa, dia misy maha-tsara azy ny fiherehana ny lasa. Ahitsio
Fiherenana: (herina) a.: Fiverenana amin'ny toerana Mata-na. Ahitsio
Fiherika: (herika) a.: Fomba entina miherika, mitodika any ivoho. ~ p.t.: Azo herehina. Ahitsio
Fiherina: (herina) a.: Fomba na toetran'ny zavatra miherina, na miverina amin'ny toerana nialana. Ahitsio
Fiherohero: (herohero) a,: Toetran'ny olona miherohero, misalasala, sanganehana. Ahitsio
Fiheroheroana: (herohero) a.: Fisalasalana, fahaverezan-kevitra. Ahitsio
Fihetezana: (hety) a.: Fanetezam-bolo. Ahitsio