Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fihedrahedra: (hedrahedra) a.: Fihetsiketsika,fihevingevina. Ahitsio
Fihedrahedrana: (hedrahedra) a.: Ffhetsiketsehana, fihevingevenana. Ahitsio
Fihefahefa: (hefahefa) a,: Fihetsiketsika, filrofahofa. Ahitsio
Fihefahefana: (hefahefa) a,: Fihetsiketsehana, fihofahofana. Ahitsio
Fihefakefahana: (hefakefaka) a.: Fiendahana amin'ny ilany iray. Ahitsio
Fihefakefaka: (hefakefaka) a.: Toetran'ny zavatra mihefakefaka, miendaka. Ahitsio
Fihehezana: (hehy) a.: Fanelezana: Ny fihehezan'ny fako no nampahaloto ny tokotany. ~ Fihohazana ary fanelezana amin'ny tongotra: Airy amin'ny fihehezan'ny alika ny tokotany no nahatonga io lauaka io, Ahitsio
Fihehy: (hehy) a.: Fomba entina mihehy na manely, manaparitaka amin'ny tongotra. ? p.t.: Azo hehezina; izay mazàna hehezina. Ahitsio
Fiheja: (heja) a,: Toetran'ny olona jenitra, mitihintihina, Ahitsio
Fihejana: (heja) a.: Fitihintihinana. Ahitsio
Fihelenana: (helina) a.: Fandalovana vetivety, fisehoana kely dia lasa: Tsy ampy toy inona ny fihelenan'ny fety, Ahitsio
Fihelina: (helina) a.: Fomban' ny zavatra mihelina, fomba andalovana vetivety: Tsy maharitra indroa andro ny fihelindRasoa eto, Ahitsio
Fihelohelo: (helohelo) a.: Fandalo, fiserana toa ao anatin' ny haizina. Ahitsio
Fiheloheloana: (helohelo) a.: Fiserantseranana avy eo ambonyloha. Ahitsio
Fihemba: a.; Tapa-damba atao fehiloha na akopakopaka entin'ny mpitahiry sampy rehefa manandratra ny sampiny. Ahitsio
Fihembitra: (hembitra) a.: Fiantsambotra. Ahitsio
Fihemorana: (hemotra) a.: Fitambotsorana, fanaovana dia mianotra: Efa nampoizina ny fihemoran'ny tafika teo anoloan'ireo fahavalo be fiadiana lavitra noho izy ireo. ~ Fialana; Nahagaga ny olona rehetra ny fihemoran-dRakoto tamin'ny fifidianana. ? Fisintonana: Naharitra hateloana ny fihemoran'ny rano. ~ Fihenana: Fihemoran'ny vidim-bary ixao fararano izao, Ahitsio
Fihemotra: (hemotra) a.: Foinba entina mihemotra, fomba ihenana. Ahitsio
Fihena: (hena) a,: Fomban'ny zavatra mihena, mihakely. Ahitsio
Fihenahena: (henahena) a.: Toetran'ny olona mihenahena, na midongy, mitokona. Ahitsio