Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fihavihavy: (havihavy) a.: Fihantona. Ahitsio
Fihavingavina: (havingavina) a.: Tay firaharahana, tsy firaikana. Ahitsio
Fihavingavinana: (havingavina) a.: Fanaovana asa kitoatoa, mosalahy. Ahitsio
Fihaza: (haza) a.: Fomba entimihaza: Toy izao no fihaza lambo: manao longoa mitoto-bozaka. ~ p.t.: Azo hazaina: Misy biby tsy mba fihaza, Ahitsio
Fihazakazahana: (hazakazaka) a.: Fandehanana haingana, firiotana mafy. Ahitsio
Fihazakazaka: (hazakazaka) a.: Fomba entina mihazakazaka. ? Fandehanana haingana, hafainganana: Tsy anerany ny fihazakazaky ny andro, Ahitsio
Fihazana: (haza) a.: Fisamborana, fanenjehana, firembena. Ahitsio
Fihazaza: (zaza) a.: Toetran'ny olona mihazaza. Ahitsio
Fihazazana: (zaza) a.: Fahatongavana zaza indray; fitenenana, filalaovana toy ny zaza; fiverenan-tsaina Ahitsio
Fihazihazy: (hazihazy) a,: Fitanjahana. Ahitsio
Fihazohazo: (hazohazo) a.: Fomba entina mihazohazo, fomban'ny olona mihazohazo, na misalasala, tsy tapakevitra handroso na hihemotra. Ahitsio
Fihazohazoana: (hazohazo) a.: Fisalasalana, fijajirihana tsy tapa-kevitra na handroso na hilremotra: Mandany andro ny fihazohazoana. Ahitsio
Fihazona: (hazona) a,: Fomba entina mihazona. • p.t.: Azo hazonina. Ahitsio
Fihazonana: (hazona) a,: Fitanana, tsy fanomezana olona ny tokony ho azy. Ahitsio
Fihebihebena: (hebiheby) a,: Fivezivezena atsy sy ary: Ny fihebiheben'ny maso. Ahitsio
Fihebiheby: (hebiheby) a.: Fomba entina mihebiheby na mivezivezy ats$' sy ar?. Ahitsio
Fihebikebehana: (hebikebika) a.: Fihetsiketsehana, fivezivezena mandeha etsy sy eroa. Ahitsio
Fihebikebika: (hebikebika) a.: Ny fomba entina mihebikebika, na mivezivezy mandeha etsy sY eroa. Ahitsio
Fihebintrebenana: (hebintrebina) a.: Fihetsiketsehan'ny rano mipararetra tsofin'ny rivotra. Ahitsio
Fihebintrebina: (hebintrebina) a.: Toetran'ny rano mihebintrebina, mipararetra taofin' ny rivotra. Ahitsio