Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fihariana: na Fiharena (hary) a,: Fanangonana, fitadiavana, famoriana vola na fananana. Ahitsio
Fiharihariana: (harihary) a.: Fisehoan'ny tena izy manontolo tsy misy miafina. Ahitsio
Fiharihary: (harihary) a.: Foinban'ny zavatra mlharihary, na miseho tsara manontolo tsy misy miafina. Ahitsio
Fiharo: (haro) a.: Fomba ikambanana. Ahitsio
Fiharoana: (haro) a.: Fikambanana, firaisana amin'ny...: Mampahalala zavatra betsaka ny ankizy ny fiharoany amin'ny ankizy maro toa azy. Ahitsio
Fihary: (hary) a.: Fomba entina mihary, mitady. ? p.t.: Azo angonina, tadiavina: Ny vola fihary. Ahitsio
Fihary: a,: Karazana taova manamboatra sy mamoaka ranoka ilaina amin'ny fandevonan-kanina, toy ny fihary rora, ny fiharim-bavony,,. Ahitsio
Fihasina: (hasina) a.: Toetran' ny zavatra mihasina, izany hoe miolana. Ahitsio
Fihasinana: (hasina) a.: Toerana nanamasinana ny Mpanjakafahiny. Ahitsio
Fihasinana: (hasina) a.: Fiolanana; fandrotsirotsiana. Ahitsio
Fihatahana: (hataka) a.: Fanalavitana, fitokanana tsy miaraka amin'ny hafa: Indraindray ilaina ny fihatahana amin'ny namana ratsy. ? Fikisahana, fitanilanac Fihatahana mba handehanan'ny lehibe. Ahitsio
Fihataka: (hataka) a.: Fomba entina mihataka, izany hoe manalavitra, mitokana tsy miaraka amin'ny hafa; na mikisaka kely, mitanila. Ahitsio
Fihatra: (hatra) a.: Fomba ipakan'ny zavatra amin'ny... Ahitsio
Fihatsaka: (hatsaka) a.: Antsy kelin'ny mpanenona anapahany ny singan-kofehy amin' ny lamba tenominy. - F,-p,: Tsy filo tsy fihatsaka: tsy faniaitra tsy antsy; izany hoe tsy mana na inona na inona. Ahitsio
Fihatsaka: p.t.: Fetsy miharo faharatsiana; fangoloka. ΒΆ M. h,: jar. Fetsy. Ahitsio
Fihatsarambelatsihy: (tsara-velatsihy) a.: Fisehoana ho tsara ety ivelany fotsiny; fanaovana zavatra mba hiheveran' ny olona ny tena ho toy izao sy toy izao. Ahitsio
Fihatsi-basy: na Fihatsiny a,: Ilay vy kely amin'ny basy izay manetsika ny fanoitrambasy ka mampandeha ny bala. Ahitsio
Fihavatravarana: (havatravatra) a.: Fitrifantrifanana, fientanentanan'ny vatana manontolo. Ahitsio
Fihavatravatra: (havatravatra) a.: Fomba entina mihavatravatra, izany hoe mientanentana, miontanontana. Ahitsio
Fihavihaviana: (havihavy ) a.:Fihantonana eny anebanebany, fihebahebana, Ahitsio