Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fihampitra: (hampitra) a.: Fomba fivelomana homana ny an'ny olona, fomba fanaovana parasy homana. Ahitsio
Fihanahana: (hanaka) a.: Fiparitahana. Ahitsio
Fihanaka: (hanaka) a. : Fomban' ny rano na menaka mihanaka, izany hoe mihahaka eran' ny toerana manodidina. Ahitsio
Fihanàna: (hana) a.: Fipetrahan' (ny vola) hiterahany zana-bola. Ahitsio
Fihanankanana: (hanankanana) a.: Fitsinkafona, fiempo, Ahitsio
Fihandrina: (handrina) a.: Fiankina, fiorina, fipetraka. Ahitsio
Fihandrinana: (handrina) a,: Fiankinana, fipetrahana, fiorenana amin'ny...: Amin'ny hamendrehanao no fihandrinan'ny voninahitrao, Ahitsio
Fihandrohandro: (handrohandro) a.: Enti-milaza ny andro manjombona. Ahitsio
Fihandrohandroana: (handrohandro) a.: Ny fitrahotrahon' ny orana. Ahitsio
Fihandrona: (handrona) a.: Toetran'ny zavatra, indrindra ny rano, mihandrona, izany hoe mitoby amin'ny toerana iray. Ahitsio
Fihandronana: (handrona) a.: Fitobian'ny rano amin'ny toerana iray; tsy fiterahan' ny vola apetraka; fatoritorian-draharaha. Ahitsio
Fihanjahana: (hanjaka) a.: Fiboridanana, fitanjahan. Ahitsio
Fihanjahanja: (hanjahanja) a.: Fomba entina mihanjahanja, izany hoe mandeha tsy mi-tondra lamba na akanjo handrakofana ny vatana. Ahitsio
Fihanjahanjana: (hanjahanja) a.: Tsy fitondrana lamba na akanjo handrakofana ny vatana; fiboridanana, fihanjahana. ? H.i.: Fitondrana akanjo vitsy foana na manify: Tsy mangatsiaka ve ianao amin'izao fthon) ahanjanao izao? Ahitsio
Fihanta: (hanta) a.: Fomba entina mihanta, na mangataka mafy amim-pitalahoana fa matoky fitiavana. Ahitsio
Fihantahantana: (hantahanta) a.: Olona ihantahantana matetika. Ahitsio
Fihantana: (hata) a.: Fangatahana mafy aoka izany; fiangaviana amim-pitalahoana fa matoky fitiavana. Ahitsio
Fihantona: (hantona) a.: Fomba fikiraviravezana, fomban' ny zavatra mihantona: Mahatsikaiky ny fihanton'io sary io fa esory, Ahitsio
Fihantonana: (hantona) a.: Fikiraviravezana, fikirazorazoana: Fihantonan-damba. Ahitsio
Fihantsiana: (hantsy) a.: Fihaikana, fitadiavana hifaninana, hiady, hifampitana amin'ny tena. Ahitsio