Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fihakohakoana: (hakohako)a.: Fihambohamboana. Ahitsio
Fihalana: (halana) a.: Toetran' ny zavatra mipetraka ambony halana. Ahitsio
Fihalanana: (halana) a.: Fipetrahana ambony halana. Ahitsio
Fihalangalana: (halangalana) a.: Fomba entina mihalangalana, na mihatakataka, tsy miaraka amin'ny maro. Ahitsio
Fihalangalanana: (halangalana) a.: Fihatakatahana, tsy fiarahana amin'ny maro. ¶ M.h.: Fiolonolonana. Ahitsio
Fihalohalo: (halohalo) a.: Toetran'ny zavatra mihalohalo, na mihantona, mihebiheby eo ambony loha. Ahitsio
Fihalohaloana: (halohalo) a.: Fihantonana mihebiheby eo ambony loha; fianahana tsy mandroso tsy mihemotra; fisalasalana; fijanonana anelanelany, tsy fombana ny atsy na ny aroa. Ahitsio
Fihalontralona: (halontralona) a.: Fomban'ny zavatra mihalontralona, izany hoe mamirapiratra mivalombalona toa onjan-drano: Endrey izany fihalontralon'ny firavaka volamena nanaovany! Ahitsio
Fihalontralonana: (halontraiona) a.: Famiratana mipendrampendrana, famirapiratana mivalombalona toa onjandrano, mandrebireby ny ma-s0. Ahitsio
Fihalorana: (halotra) a.: Fangaronana zavatra, fakana zavatra amin'ny tanana ao anaty lavaka: Amin'ny alina no fihalorana ny foza sy ny orana. Ahitsio
Fihalotra: (halotra) a.: Fomba fakana zavatra ao anaty lava-ka. Ahitsio
Fihambahamba: (hambahamba) a.: Fomban'ny olona mihambahamba, na misalasala, tsy tapa-kevitra. Ahitsio
Fihambahambana: (hambahamba) a.: Fisalasalana, tsy fahatapahan-kevitra. Ahitsio
Fihambo: (hambo) a.: Zavatra azo hamboina, iheverana ny tena ho ambony: Tsy mba fihambo ny, fahamboniandrazana. Ahitsio
Fihamboana: (hambo) o,: Fiheverana ny tena ho ambony; filazana ny tena ho manana zavatsa na toetra tsy anana• na; fisehoana ho hafa noho ny tena toetran'ny tena: Fihamboana fotsiny ny azy milaza ho be diplaoma fa tsy nahita fianarana firy akory izy. Ahitsio
Fihametse: (Ski) a,: Hazo mitsatoka amin'ny lakana mba hamehezana ny varona. Ahitsio
Fihamina: Fihaminkamina (ha-mina) a.: Fomba entina mihaminkamina, na manao fitafiana tsara. Ahitsio
Fihaminkaminana: (hamina) a.: Fiakanjoana fitafiana tsara, fanamiana. Ahitsio
Fihamohana: (hamoka) a.: Fibonaika, fipetrapetrahana, fi-asana tsy rototra. Ahitsio
Fihamoka: (hamoka) a.: Fomba fiasa tsy rototra. Ahitsio