Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fihafy: (hafy) a.: Fomba entimihafy na miaritra ny mafy na ny sarotra. Ahitsio
Fihahafana: (hahaka) a.: Fiparitahana, fielezana; fandehanan'ny saina ats? air. Ahitsio
Fihahaka: (hahaka) a.: Toetran'ny zavatra mihahaka, miparitaka: Ny fihahaky ny ondry eny an-tsaha. Ahitsio
Fihahazana: (hahy) a,: Fipetrahana amin'ny toerana misy hainandro mba ho main: E-to no fihahazan'ny lamba avy nosasana. Ahitsio
Fihahohaho: (hahohaho) a.: Toetran'ny zavatra na olona mihahohaho, miretsidretsika be dia be. Ahitsio
Fihahohahoana: (hahohaho) a.: Fahabetsahana. Ahitsio
Fihahy: (hahy) a.: Fomba fipetraka amin'ny toerana misy hainandro mba ho maina. Ahitsio
Fihaika: (haika) a.: Fomba entina mihaika, mihantsy, mitady (olona) hifaninana amin'ny tena. Ahitsio
Fihaikaika: (haikaika) a.: Fomba fanaovana kivazivazy. Ahitsio
Fihaikana: (haika) a.: Fitadiavana olona hifaninana, fihantsiana. Ahitsio
Fihaingihaingy: (haingihaingy) a.: Fahamenamenarana. Ahitsio
Fihaingo: (haingo) a.: Fomba entina mihaingo: Manao fihaingon'adala koa iny vehivavy iny. Ahitsio
Fihaingoana: (haingo) a.: Ny asa atao raha mihaingo: Tsara ny fihaingoana raha atao amim-pahendrena. t• Ny zavatra entina mihaingo: Vary nisy nangalatra ny kaviny, ny haba volamena, ny fisisika, ny fihaingoany rehetra. Ahitsio
Fihaino: (haino) a.: Fomba entina mihaino. F• p. t.: Azo henoina. Ahitsio
Fihainoana: (haino) a.: Fitaovan'ny Dokotera ampiasainy hihainoana ny fitepon'ny fo. Ahitsio
Fihainoana: (haino) a.: Fanongilanan-tsofina mba hanche; fanekena (fangatahana); fitaovana entina mihaino. Ahitsio
Fihaitrairana: (haitraitra) a.: Fiangolangolana, fiangentsangentsanana. Ahitsio
Fihaitraitra: (haitraitra) a.: Toetran'ny olona mihaitraitra na miangentsangentsana, miangolangola. Ahitsio
Fihaja: (hala) a.: Toetran'ny olona na zavatra ambony mendri-kaia: Tsy hainao saintsainina izany fihajan'ny lanonana tao izany! Ahitsio
Fihakohako: (hakohako) a.: Ny fomban'ny olona mihakohako na mihambohambo. Ahitsio