Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Figoigoika: (goika) a,: Fomba fitomany sempotsempotra sy misentosento. Ahitsio
Figoka: (goka) a.: Fomba fisotro amim-pankasitrahana ary betsaka: Oadray izany figokan Koto kely ronono! Ahitsio
Figoleda: (goleda) a.: Fomba f odiana marary. Ahitsio
Figoledana: (goleda) a.: Fahosana, fodiana marary, Ahitsio
Figona: (gona) a.: Toetran'ny zavatra migona, midona, mi-p oka; fidona; fipoka. Ahitsio
Figonana: (gona) a.: Fidonana, fipohana. Ahitsio
Figorabahana: (gorabaka)a.:Filentehana, Ahitsio
Figorabaka: (gorabaka) a.: Toetran'ny zavatra migorabaka, izany hoe loaka be, Ahitsio
Figoraidraika: (goraidraika) a.: Fomba fanenon'ny sahona. Ahitsio
Figoraraika: (goraraika) a.: Fomban'ny zavatra (kibo) migoraraika, izany hoe mamoaka feo hafahafa toy ny kibo marary. Ahitsio
Fihabahaba: (habahaba) a,: Fomba entina mihabahaba, misalasala; fisalasala. Ahitsio
Fihabahabana: (habahaba) a.: Fisalasalana, tsy fahatapahan-kevitra. Ahitsio
Fihadiana: (hady) a,: Fitrandrahana: Ny fihadiana tany no sarotra amin'ny tombola-na raha mafy ny tany, ? Fanongotana, famongorana: Fihadiana vomanga. 1 Famoahan avy ao anaty tant', famokarana: Fihadlana vola-mena. Ahitsio
Fihadrahadra: (hadra) a.: Toetran'ny olona mihadrahadra, na manao fihetsehan miavona. Ahitsio
Fihadrahadrana: (hadra) a.: Flhetsehana miavona na fieboeboana amin'ny fitenenana, fijefiiefena. Ahitsio
Fihady: (hady) a.: Fomba enti-mihady. ~ p.t.: Azo hadina. Ahitsio
Fihafahafa: (hafa) a.: Fiseho ho hafa, fiolonolona. Ahitsio
Fihafahafana: (hafa) a.: Fisehoana ho olon-kafa, tsy fetezana hifandray tsara amin'ny olona manasa ny tena, fiolonolonana. Ahitsio
Fihafiana: (hafy) o.: Fiaretana ny mafy na ny sarotra na ny maharary, fa indrindra ny tsy fisiana na ny tsy fahampiana. Ahitsio
Fihafo: (Ski) a.: Zavatra maivana toy ny bosoa atao amin'ny tenatenan'ny tadimpintana mba hahalalana ny fanaikitry ny hazandrano. Ahitsio