Litera f
Fanakoavana: (koa) a : Fampianjerana, fampihotsahana.
tohiny
Fanakoba: (koba) a. : Fomba arahina rehefa manakoba, manao zavatra ho mohaka malemy dia malemy.
tohiny
Fanakobahana: (koboka)a : Fanetsiketsehana, fanasana (zavatra) ao anaty rano.
tohiny
Fanakobaka: (kobaka) a. Fomba entina manakobaka, manetsiketslka, manasa (zavatra) ao anaty rano.
tohiny
Fanakobàna: (koba) a. : Fanaovana zavatra ho mohaka ma lemy dia malemy; fanaovana izay tsy hahafa-panadinana mpianatra…tohiny
Fanakobana: (koba) a. : Fomba entina manakobana, manatsoboka ny lamba sasana ao anaty rano madio mba hanala ny ranon-tsavony.…tohiny
Fanakobanana: (kobana) a. :Fanatsikebonana ny rano ka miloatra ny loto; fanetsiketsehana, fanatsobohana ny lamba sasana…tohiny
Fanakobila: (kobila) a. : Fomba entina manakobila, mamilavila; tsy mitondra roa, mandroridroritra.
tohiny
Fanakobilana: (kobila) a. : Familavilana, f am orip or e tana, tsy fitondrana roa, fandroridroritana.
tohiny
Fanakobona: (kobona) a. Fomba entina manakobona, manafina na manarona ao anaty lamba.
tohiny
Fanakobonana: (kobona) a. Fandrakofana amim-pitandremana, fanafenana ao anaty akanjo, ao anaty lamba.
tohiny
Fanakodiavana: (kodia) a. : Fanaovana izay hitsimbadimbadihan' ny zavatra iray.
tohiny
Fanakodingiana: (kodingy) a. Fanakodiadiavana, fanonganana.
tohiny
Fanakodingy: (kodingy) a. Fomba entina manakodiadia, manongana. 1 p.t. : Azo akodingy, akodiadia, aongana.
tohiny
Fanakododohana: (kododoka) a : Fanaovana haingana, fampanaovana haingana.
tohiny
Fanakododoka: (kododoka) a. : Fomba entina manakododoka, mampanao haingana.
tohiny