Litera f
Fikiniania: (kiniania) a.: Fomba entina mikiniania, na mamazivazy, mananihany antsitrapo,
tohiny
Fikinianiavana: (kinia) a.: Famazivaziana, fananihaniana an-tsitrap o.
tohiny
Fikintonana: (kintona) a.: Fahasorisorenana, fidongiana, fizihirana.
tohiny
Fikipahana: (kipaka) a.: Fialana, fiendahana.
tohiny
Fikipilizana: (kipily) a,: Fitorahana amin'ny zavatra izay toa mihodinkodina alohan' ny hiantefany.
tohiny
Fikiramborambo: (kiramborambo) a.: Toetran'ny zavatra mikiramborambo, izany hoe mihantona ka mikirazorazo,
tohiny
Fikiramboramboana: (kiramborambo) a.: Fihantokantonana ka mikirazorazo.
tohiny
Fikiraroana: (kiraro) a.: Fitondrana kiraro.
tohiny
Fikiraviravezana: (kiraviravy) a.: Fihantonana ary fikirazorazoana tsy mitehika amin' ny tany.
tohiny
Fikiraviravy: (kiraviravy) a.: Toetran'ny zavatra mikiraviravy.
tohiny
Fikirazorazo: (kirazorazo) a,:Toetran'ny zavatra mikirazorazo.
tohiny
Fikirazorazoana: (kirazorazo) a.: Fihantonana mihevaheva tsy mitehi-tany,
tohiny
Fikiribibiana: (kiry) a.: Fitanana mafy ny hevitry ny tena tsy azo atao ahoana amin' ahoana.
tohiny
Fikiribiby: (kiry) a.: Fomba entina mikiribibY.
tohiny