Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fifondrofondroana: (fondrofondro) a.: Fangatahana mafy, fitalahoana, fiambezoana, fitampesona. Ahitsio
Fifongarana: (fongatra) a,: Fisehoana et? ivelany rehefa avy nohadina, fifokarana. Ahitsio
Fifongoana: (fongo) a.: Fijanonana ao am-pandriana mirakotra tsara. Ahitsio
Fifongofongoana: (fongofongo) a.: Fisafoahana, fifoforana amin'ny asa, fiezahana fatratra. Ahitsio
Fifonohana: (fonoka) a.: Fifonosana tsara ao anaty lamba, fibonohana, Ahitsio
Fifonosana: (fono) a.: Firakofana manontolo. Ahitsio
Fifontenana: (fontina) a.: Fiverenana mifotitra. Ahitsio
Fiforetana: (foritra) a,: Fileferana, fivonkonana, fihoronkoronana, filozohana. Ahitsio
Fiforonana: (forona) a: Fomba if oronana, izany hoe isiana, ahatongavana ho...; fisiana: Lazao raha fantatrao ny fiforonan'ny rahona. Ahitsio
Fifosana: (fosa) a,: Fanamavoana, filazana ny hadisoana takona nataon'ny namana tsy eo anatrehany. - F,•p,: Fosan-kavana: fanalam-baraka na fanaratsiana ataon'ny havana. / Fosan'olona: tsaho honohono. / Fo-sa vova: tati-teny marina na diso. Ahitsio
Fifoserana: (fositra) a,: Fandoahana, fandilorana hazo eo ambonin'ny hazo hafa iras mba hahazoana tselatr'afo; fikofosana, filozohana. Ahitsio
Fifoterana: (fotitra) a.: Fiverenana amin'ny fana indray ny nataon'ny tena tamin' ny hafa: Namono an'io bibi-lava io ianao, nefa tsy nahafaty azy: tandremo ny fifoterany aminao, Ahitsio
Fifotorana: (fototra) a.: Filozohana, filofosana, Ahitsio
Fifotroahana: (fotroaka) a,: Fibosesehan-javatra mivoaka avy ao am-bava na any an' orona; fitronana. Ahitsio
Fify: a.: Tsindrim-bankona; (Br) Takolaka. Ahitsio
Figabahana: (gabaka) a.: Fahabetsan-drano mangeniheny, Ahitsio
Figabaka: (gabaka) a.: Fomba na fisehoan'ny rano migabaka, toetran'ny toerana feno rano: Tsy hita velively ny figabaky ny rano tamin'ny tondra-drano farany tao. Ahitsio
Figabohana: (gaboka) a,: Fiavosana, fivongovongoana. Ahitsio
Figaboka: (gaboka) a.: Fiavosa, fiavovona, fifanongoa. Ahitsio
Figadragadra: (gadragadra) a.: Toetran'ny feo migadragadra, izany hoe ratsy faneno toy ny vilany vaky: Mahatsikaiky ny figadragadran'ny feon'Ibalita kely. Ahitsio