Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fifetohana: (fetoka) a.: Fanaovana endrika mampitahotra sy mandrahona. Ahitsio
Fifiahana: (fiaka) a.: Fitsakoana zavatra be ranony izay trohina. Ahitsio
Fifidianana: (fidy) a.: Fakana izay tiana an-tsitrapo, filante-nana, fiiobonana, fitsongoana; fandatsaham-bato: Tsy misa fifidianana raha atao an-tery, na mivantana izany na an-kolaka. Ahitsio
Fifihirana: (fihitra) a: Fifikirana. Ahitsio
Fifikirana: (fikitra) a.: Fisarangotana. Ahitsio
Fifindrana: (findra) a.: Fiovana toerana: Mandany mandrakariva ny fifindrana trano, 1 Fiovana ho: Rehefa amin'ny antoko iray ianao, sarotsarotra ihany ny fifindrana am in' ny antoko hafa. Ahitsio
Fifiohana: (fioka) a.: Fandefasana feo mafy toa sioka eny am -panidinana. Ahitsio
Fifisahana: (fisika) a.: Fahatongavana fisaka. Ahitsio
Fifitsahana: (fitsaka) a.: Fihafisahana, fifintinana, fipetrahana tsy mihetsiketsika amin'ny toerana iray; fierena, fiafenana. Ahitsio
Fifoabana: (foaba) a.: Fitrerona, finaonaona, fikafarana. Ahitsio
Fifofofofoana: (fofo) a.: Famoronam-pikasana ratsy ha-mono, hamely. Ahitsio
Fifofofofoana: (fofofofo) a,: Fitsofan'ny rivotra fatratra. ~ Fiasana na fiezahana izaitsizy. Ahitsio
Fifoforana: (fofotra) a.: Filozohana, fikezahana, fikelezana aina fatratra. Ahitsio
Fifohana: (foka) a.: Hazo na zavatra hafa nentina nitrohana rongony na paraky. 1 Fampldirana na fisintonana setro-javatra dorana eo amin' ny vava: Manimba ny havokavoka ny fifohana sigara. 1 Fitrohana, fisintonana, fandritana: Mahagaga ny fifohan'ny hainandro ny rano eran-tany, Ahitsio
Fifohazana: (foha) a.: Fahatairana, fitsanganana avy eo am-pandriana: Ora fifohazana. Ahitsio
Fifoizana: (foy) a.: Famotsirana na fanapotsirana: Fifoizana hao. Ahitsio
Fifokarana: (fokatra) a.: Fisehoana andro, fiposahana, fifongarana. Ahitsio
Fifokoana: (foko) a.: Fikambanana, firaisana fo sy sain mba hanao zavatra. Ahitsio
Fifonahana: (fonaka) a,: Fierotana. Ahitsio
Fifonana: (fona) a.: Fibabohana amin'ny ratsy natao tamin'olona ka mangataka famelana aminy, fivalozana. Ahitsio