Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fierotra: (erotra) a.: Fomban' ny olona mierotra, izany hoe mamoaka feo mafy toa mitrona avy any an'orona eo am-patoriana. Ahitsio
Fiesikesehana: (esikesika) a.: Fandehanana na famindrana miadana sy midanesaka toy ny olona be kibo. Ahitsio
Fiesikesika: (esikesika) a.: Toetran'ny olona miesikesika, na mandeha miadana midanesaka toy ny olona be kibo. Ahitsio
Fiesinesenana: (esinesina) a,: Famoahana feo avy ao an'orona toa tsentsintsentsin'ny sery. Ahitsio
Fiesinesina: (esinesina) a.: Fomban'ny olona miesinesina, izany hoe mamoaka feo toa tsentsintsentsin'ny sery. Ahitsio
Fiesona: (esona) a.: Fomban' ny olona miesona, mamoaka feo lavareny avy any an'orona eo am-patoriana, Ahitsio
Fiesonana: (esona) a,: Fandefasana fofon'aina mitrotroka rehefa matory. Ahitsio
Fiesorana: (esotra) a.: Fialana. Ahitsio
Fietaketahana: (etaketaka) a.: Fireharehana, fiedinedenana. Ahitsio
Fietiketehana: (etiketika) a,: Fireharehana, fieboeboana. Ahitsio
Fietrana: (etra) a.: Fanaovana na fitondrana etra, na fehikibo. Ahitsio
Fievanevanana: (cotidal a.: Füanonana tsy an'ny atsy tsy an'ny aroa, fialanalanana. Ahitsio
Fievenana: (avina) a.: Fivoahan-drivotra eo amin'ny orona tsy iniana atao fa mibosesika mandeha ho azy ary mahatonga ny vava handefa piti-drora koa aza. Ahitsio
Fievotana: (evotra) a.: Fibontsinana ho avoavo; fiantsamborana miakatra. Ahitsio
Fiezahana: (ezaka) a.: Fikelezana aina, fanaovana ny farany azo atao, fikirizana fatratra: Tsy atnpy ny fiezahan'ity mpianatra ity' ka gisitra lava izy. Ahitsio
Fiezoezoana: (ezoezo) a. : Fitezotezoana. Ahitsio
Fifadiana: (fady) a.: Tsy fihinanana na tsy fisotroana, tsy fanaovana zavatra, na noho ny fitanana ny fandraran'ny Razana na noho ny famehezan-tena: Fifadiano fisotro mahamamo, Ahitsio
Fifadidirana: (fadiditra) o.: Fihorongoronana, fihodidinana. Ahitsio
Fifadirana: (faditra) o.: Fanalana zava-dratsy na loza atolaky ny sasany amin'ny tena na atahorana hahavoa. Ahitsio
Fifahazana: (fahy) a,: Fihavondrahana, fitomboana hatavezana. Ahitsio