Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fieferana: (efitra) a.: Zavatra atao manelanelana na mana-. pisaraka: Volotsangana no fieferan'ny efitranonay roa tonta. Ahitsio
Fiefokefohana: (efokefoka) a,; Fisafoahan-katezerana miharo avona. Ahitsio
Fiefonefonana: (efonefona) o.: Hasempotsemporana noho ny hatezerana. Ahitsio
Fiehaka: (ehaka) a.: Fihetsika te hampisehoana ny tena ho zavatra ka miedinedina aoka izany. Ahitsio
Fiehana: (aika) a.: Fifanetena, fikitrohana: Jereo izato fiehan'ny vahoaka! Ahitsio
Fiekena: (aiky, eky) a.: Fitsorana. Ahitsio
Fielakelahana: (elakelaka) a.: Fizarazarana na fisilatsilahana fisaka. Ahitsio
Fielakelaka: (elakelaka) a.: Toetran'ny zavatra mielakelaka, izany hoe misilaka na mizarazara fisaka sy manify. Ahitsio
Fielanelanana: (elanelana) a,: Fijoroana ho mpanelanelana. Ahitsio
Fielarana: (elatra) o.: Fisokafana mihefahefa. Ahitsio
Fielezana: (ely) a.: Fiparitahana. - F.-p,: Zanaka am-pielexaa na: enti-milaza ireo zanaky ny faritany na fiangonana iray ka tsy eo an-toerana fa miparitaka any arnin'ny ta' nàna samihafa any noho ny fitadiavana na antony hafa. Ahitsio
Fiendrinendrena: (endrina) a.: Hadalana, fidonàna, fitaraiky. Ahitsio
Fientanana: (entana) a.: Fahatairana sy fiaingana tampoka any anaty, fiontanana: Fientanan'ny fo. Ahitsio
Fierana: (ara) a.: Fangatahandalana hanao zavatra iraY na handeha, Ahitsio
Fierena: (ery) a.: Fiafenana,fisitrihana amin'ny toerana tsy ahitana ny tena; toerana ierena. Ahitsio
Fierenana: (erina) a,: Fitadiavana hahazo bebe kokoa no-ho izay aniara efa azo na no-mena ny tena: Fierenam-pitia. Ahitsio
Fierinerenana: (erinerina) a.: Fipetrahana na fihaminkaminana eo amin'ny toerana avo na ao afovoan'ny... Ahitsio
Fieritreretana: (eritreritra) a.: Fiasan'ny saina mangina mamakafaka sy mandinika zavatra: Tsy ampy fieritreretana ianao, onaka. Ahitsio
Fierona: na Fieronana (erona) a,: Famoahana feo toy ny mingonona arahim-pihetsehana vonon-kandramatra: Vaky nandositra aho nondre ny fieron'ilay alika, Ahitsio
Fierotana: (erotra) a.: Famoahana feo hafahafa avy any an-tenda sy avy any an'orona isaky ny maka fofon'aina mandritra ny torfmaso. Ahitsio