Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fidorarahana: (doraraka) a.: Fidonanaham-poana, fanariana andro foana. Ahitsio
Fidorobohana: (doroboka) a.: Fanirian-javamaniry izay manjary be ravina sady mai-tao; toetran'ny akanjo malalaka ambany sy mirebareba. Ahitsio
Fidorohana: (doroka) a.: Fimamoana. Ahitsio
Fidradradradrana: (dradradradra) a.: Fiantsoantsoana, filelalelana, fikiakiahana, figogogogoana, fijafaiafana. Ahitsio
Fidradrahana: (dradraka) a.: Fiantsoantsoana mafy amimpahatairana noho ny fisehoan'ny loza iray tampoka. Ahitsio
Fidraikoana: (draiko) a. : Fandehanana na famindrana mananosarotra, mijaikojaiko no-ho ny aretina na ny havizanana. Ahitsio
Fidredridredrena: (dredridredry) a.: Fitaraindrainana, fitomanimaniana lava. Ahitsio
Fidredroana: (dredro) a.: Fandokadokafana izaitsizy mba hahazoan-tsitraka, filana ranondranony. Ahitsio
Fidridridridriana: (dridridridry) a.: Fitaraindrainana; famoahana feo maharitra hafahafa, Ahitsio
Fidridrodridroana: (dridrodridro) a.: Fidilorana, famoahana feo mampangintsina ny nify sy ny sofina. Ahitsio
Fidrikinana: (drikina) a.: Fanoherana mafy an-katezerana. Ahitsio
Fidy: a.: Fakana izay tiana. - t.i.f.: Fidina, voafidy, nofinidy / mifidy, fifidy, mpifidy / ifidianana, fifidianana / mahafidy. Ahitsio
Fiebanana: (ebana) a.: Fitondrana lamba am-piangolangolana, Ahitsio
Fieboana: (ebo) a,: Fireharehana: Ny harena no anton'ny fieboeboany, Ahitsio
Fiedikedehana: (edikedika) a.: Fampisehoana fireharehana amin'ny fihetsika, famindra. Ahitsio
Fiedikedika: (edikedika) a.: Toetran'ny olona miedikedika, izany hoe mihetsiketsika te-hampiseho tena ho zavatra, indrindra raha somary dokafana kely. Ahitsio
Fiedinedenana: (edinedina) a.: Fampisehoana f¢eharehana amin'ny fihetsiky ny vatana, fientanentan'ny fandeha sY ny loha. Ahitsio
Fiedinedina: (edinedina) a.: Toetran'ny olona miedinedina, izany hoe mampiseho fireharehana amin'ny fientanentan'ny fandeha sy nY 10-ha. Ahitsio
Fiefahana: a.: Karazan'ahitra (jar. Fehana). Ahitsio
Fiefana: (efa) a.: Fiafarana: Ny ranomasina no fiefon'ny rano rehetra. / ~ H,o.: Ny fitsarana tampony no fiefan'ny ady rehetra. 1 Ny mahay indrindra: Rakoto no fiefana amin'ny mpanjaitra eto antanĂ na. Ahitsio