Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fidirana: (iditra) a.: Asa atao rehefa miditra: Sarotra ny fidirana amin'io fikambanana io. 1 Toerana voatokana hidirana, izany hoe hitsofohana amin'ny toerana iray, trano, saha: It9 no fidimna ato amin'ny saha. 1 Vola aloa amin'ny fijerena fampisehoana na fandraisana anjara amin'ny lanonana iray: Ohatrinona ny fidirana amin' ity rindran-kira it?f Ahitsio
Fiditiana: (dity) a.: Firaiketana. Ahitsio
Fiditra: (iditra) a.: Fomba itsofohana: Ohatra ny fiditry ny jiolahy no fiditrareo ato antrano. Ahitsio
Fidizidiziana: (dizidizy) a.: Fihinjihinjiana na firidiridiana fandehanana amin'izao tsy mitafy lamba, mihanjaka. Ahitsio
Fidizinana: (dizina) a.: Fijoroana mitsatoka tsara. Ahitsio
Fidoadoana: (doadoa) a: Fieboeboana, fanaovana teny feno rehareha sy hambo, Ahitsio
Fidoafana: na Fidoahana (doaka) a.: Fisandratana. Ahitsio
Fidobebahana: (dobebaka) a,: Ahitsio
Fidobibihana: (dobibika) a.: Fiangonana, fivangongoana. Ahitsio
Fidobohana: (doboka) a.: Famoahana feo mafy sY migoboka:Ny fidobohan'ny amponga no nanaitra ny manodidina. Ahitsio
Fidobohana: (doboka) a.: Fitoerana, fipetrahana, fijanonana. Ahitsio
Fidodadodana: (dodadoda) o.: Firehetana misy lelafo be, fi-de dadedana. Ahitsio
Fidodododoana: (dodododo) a.: Firiotana haingana; fahatongavana maika dia maika, tsy mangataka andro: Misaotra indrindra amin'ny fidodododoanareo mamangy anay amin'izao fahoriana (-zao, Ahitsio
Fidohafana: (dohaka) a.: Fixeharehana. Ahitsio
Fidohafana: (dohaka) a.: Famoahana feo mangoboka sy mitrena. Ahitsio
Fidoladolana: (doladola) a.: Firaidraikana, fironan'ny loha miankavia miankavanana, Ahitsio
Fidonahana: (donaka) a.: Fivoahan'ny setroka avy amin' ny zavatra dorana na mirehitra. Ahitsio
Fidonana: (dona) a.: Fipohana, fipehana. Ahitsio
Fidonanahana: (dononaka) a.: Fipetrapetrahana tsy miasa fa mitanàka foana eo: Ny mazàna mahatarika amin'ny hevi-dratsy rehetra dia ny fidonanaham-poana. Ahitsio
Fidongaingena: (dongaingy) o.: Filolohavana entana mavesatra ka toa misitrika any anaty vozona ny loha. Ahitsio