Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fidarondaronana: (darondarona) a.: Fiavonavonana am-pitenenana, fidaodaom-bava. Ahitsio
Fidasidasiana: (dasidasy) a.: Fandehanana sy famindrana milamina sy mihaminkamina, ka tsy mirotoroto fa maotona. Ahitsio
Fidedadedana: (dedadeda) a.: Fanaovana rehi-be: Fidedadedan'ny afo. •Fisamboaravoaram-paniriana tsy hay tonana: Fidedadedan'ny fitiaaan-tanindrazana ao am-pony. Ahitsio
Fidedahana: (dedako) o,: Fisehoana ho mahay, manankarena; fampiderana haingo, harena, na fahaizana. Ahitsio
Fidehandehanana: (dehandehana) a.: Famindrana somary mibehambehana sy miletaleta. Ahitsio
Fideraderana: (deradera) a.: Fisehosehoana, fieboeboana,fireharehana. Ahitsio
Fiderana: (dera) a.: Fankalazana, fanomezana voninahitra. Ahitsio
Fidezana: (deza) o.: Toetran' ny fiakarana solampy saiky mitsatoka sy mijoro. Ahitsio
Fidibadibana: (dibadiba) a.: Fihenjanana sy fibontsinana noho ny hafenoan-drano na rivotra. Ahitsio
Fidifiana: (dify) a.: Fihodivirana, fisorohana: Fidifiona ny vato natorak'olona. Ahitsio
Fidifihana: (difika) a.: Fipitihana. Ahitsio
Fidihindihinana: (dihindihina) a.: Famindrana sy fihetsehana miandranandrana feno rehareha. Ahitsio
Fidilorana: na Fidilotra (dilotra) a.: Fikasohana main oaka feo midridroka, fikitrohana: Tsy tantiko ny mandre ny fidiloran'ny nifin'io zaza io rahalina. Ahitsio
Fidina: (fidy) mt.ih. (fidio): A-laina izay tiana, alaina izay tsara fantenana, jobonina, tsongoina: Fidio izay olona hiaraka aminao. / 1 Madagasikara no fidiko amin'ny tany rehetra. Ahitsio
Fidina: (idina) a: Fomban'ny zavatra midina, izany hoe mandeha avy ambony ka milatsaka ambany: Ela loatra ny fidin'ny lasantsy. Ahitsio
Fidinana: (idina) a.: Asa atao rehefa midina, izany hoe rehefa mankamin'ny toerana ivaiva kokoa: Mahasalama ny olono sasany ny fidinana any amoron-dranomasina. Sarotsarotra ny fidinana amin' it? fiara id, •Lalana midina mitsontsorika mankamin'ny toerana ambany: Mitandrema tsara amin'ny fidinana fa malama ny lalana. Ahitsio
Fidindinana: (dindina) o.: Fangintsinam-peo ao anaty sofina na dia efa tsy misy heno intsony aza. Ahitsio
Fidinginana: (dingina) a.: Fijoroana manondro lanitra: Fid inginan 'ny ram bon 'os y, 1 Fiakarana avo dia avo tampoka: Nahagaga ny fidinginan'ny oaton-dRakoto tamin'ny f ifidianana farany tao. Ahitsio
Fidinihana: (dinika) a.: Fiarahana mihevitra. Ahitsio
Fidiovana: (dio) a.: Fanasana tena; fanalana tsiny ny tena, fanalana ny tena amin'ny fiampangana. Ahitsio