Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fidabohana: (daboka) a.: Fianjerana (amin'ny tany), fahalavoana: Naratra mafy izy tamin'ilay fidabohany tamin' ny tany. 1 Fatoriana mivalampatra: Vizaka loatra izy ka tsy andriny ny hidabohany teo am-pandriana. F? Fiaiken-keloka na fibabohana amin'ny hadisoana: Nampalahelo indray ny nahita ny fi-d abohan 'ilay zozo mpandanY teo anoloan-drainy, Ahitsio
Fidadadadana: (dadadada) a: Fitenitenenana miahotrahotra, miambakavaka. ΒΆ M, h.: Fiakanakanana, fivakavakana, fiambakambakana, fibadabadana, fiambatrambarana, fiakakana. Ahitsio
Fidadahana: (dadaka) a.: Fitenenana haingana sy miboredika; fikodedehana. Ahitsio
Fidadasika: (dadasika) o.: Fahalalahana tsy anerany: Tsy hita PesiPesenina ny fidadasiky ny habakabaka, Ahitsio
Fidaikana: Fidaikadaikana (daikadaika) a,: Fandehanana misabakabaka. Ahitsio
Fidaindainana: (daindaina) a.: Fidanehan'ny hainandro. ? Fikarantsam-peo mankarenin-tsofina. Ahitsio
Fidaingidaingena: (daingina) a.: Fandehanana mivembena toa mila hianjera tahaka ny zaza vao miana-mandeha. Ahitsio
Fidalabobohana: (dalaboboka) o.: Fianierana mafy; fianjexana andrenesana feo midoboka mafy, Ahitsio
Fidanadanana: (danadana) a.: Fivohana tanteraka (varavarana, vavahady): Ny fidanadanan'ny aaaahady no nahafahan'ny omby niaoaka. ? H.o,: Fisokafana manontolo: Maha-te-hidera ny fidanadanon'ny fon'ny olona be antra, Ahitsio
Fidanesahana: (danesaka) a.: Famindra miadana sy miresaresa toy ny an'ny olona matavy. Ahitsio
Fidangadangana: (dangana) a.: Fipetrahana amin'ny fitoerana avo; fianjonanjonana. Ahitsio
Fidangana: na Fidanganana (dangana) a.: Fisondrotana avo: Fidangan'ny aidim-piainano. Ahitsio
Fidanidaniana: (danidany) a.: Fidiridiriana, fahafenoana sY fahenjanana. Ahitsio
Fidanihana: na Fidanika (dont-ka) a.: Famelezan'ny herin' ny hafnandro; fitaninana afo, famindroana akaikin'ny afo: Hiditra aho fa tsy tohako ny fidanihan'ny hainandro, Ahitsio
Fidanohana: (danoka) a.: Famindrana na fitenenana miangoty ary ampisehoana fanambonian-tena. Ahitsio
Fidaondaonana: (daondaona) a.: Fitenenana feno avona. Ahitsio
Fidarabohana: (daraboka) a,: Fianjerana mafy amin'ny tany. Ahitsio
Fidararahana: (dararaka) a.: Fitalanjolanjiinam - poana amin'izay rehetra hita. Ahitsio
Fidarobohana: (daroboka) a.: Fianjerana anaty rano. Ahitsio
Fidaronana: (darona) a.: Fanaovana asa, famindra na fiteny miadana toa tsy rototra. Ahitsio