Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fibonabonàna: (bonabona) a.: Fivontosana toa mizihijihitra nefa mihodrahodra. Ahitsio
Fibonehana: (bonika) a.: Fipetrapetrahana, fahalemena paika: Ny fibonehany loatra indray no tsy itiaaako az,y. Ahitsio
Fibonohana: (bonoka) a,: Firakofana ny loha sy ny tena tanteraka mba hafana tsaxa. Ahitsio
Fibonoka: (bonoka) a.: Fomba entina mibonoka, izany hoe mirakotra tsara manodidina (ny loha sy ny vatana) mba hafana tsara. Ahitsio
Fibontanana: (bontana) a.: Fivontosana miavaka. Ahitsio
Fibontsinana: (bontsina) a.: Fivontosana, fizihirana, Ahitsio
Fiboraborana: (borabora) a.: Toetran'ny fehy na fatorana migoragora, figoragorana. Ahitsio
Fiborarahana: (boraraka) a.: Firarahan-drano mitobaka be. Ahitsio
Fiboredehana: (boredika) a.: Fitenenana an-kisesy ka tsy azo izay lazaina, fikodedehana. 1 Fitenenana amin'ny teny vahiny. Ahitsio
Fiborerana: (borera) a.: Figorerana, fivarorahana, fitsikamokamoana. Ahitsio
Fiboresana: (boresa) a: Fitavozavozana, fitaredretrana raha manao zavatra. Ahitsio
Fiboretahana: (boretaka) a.: Fipetrahana mitsotra amin' ny tany tsy maharay tena. Ahitsio
Fiboroahana: (boroaka) a.: Fivoahan'ny zavatra iray amin' ny loaka ka tanteraka ambadika sy ambadika. Ahitsio
Fiborosiana: (borory) a.: Mitovy hevitra amin'ny fanaborosiana. Ahitsio
Fiborotsahana: (borotsaka) a.: Fitambotsorana hiala amin' ny toerany ka midina, fikorotsahana midina: Fiborotsahan 'ny sikina. Ahitsio
Fibosesehana: (bosesika) a.:Fidirana na firohotana miaraka indray mandeha: Loza ny fibosesehan'ny olona hijery io olona naratra io. Ahitsio
Fibotetahana: (botetaka) a.: Fipetrahana amin'ny tany, amin'ny toerana ambany. ~ Tsy fanaovana na inona na inona. Ahitsio
Fidabaka: (dabaka) a.: Fihoatra, fihoaran'ny rano: Tsy anerany ny fidabaky ny rano tamin'ny ailany. Ahitsio
Fidabebaka: (dabebaka) a.: Toetran'ny zavatra fohy vatana fa be vava: Ny fidabebaky ny harona. Ahitsio
Fidabobohana: (doboboka) a.: Fianjerana, firohotana miarabe. Ahitsio