Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fibobahana: (bobaka) a,: Fivontosana na fizihirana makadiry. Ahitsio
Fiboboboboana: (bobobobo) a.: Famoaham-peo mifioka toy ny an'ny rivotra; famoaham-peo toy ny an'ny rano miditra ao anaty tavoahangy. Ahitsio
Fibobohana: (boboka) a.: Fisotroana tafahoatra: Aiza it9 fibobohany toaka no tsY harary izy! Ahitsio
Fibodoana: (bodo) a.: Fakana an-keriny ary fitanana ny tsy an'ny tena: Fibodoana zaaatr'olona. Ahitsio
Fiboeriboerehana: (boeriboerika) a: Fitenenana teny tsy fantatra, tsy mazava, misafotofoto sy miradarada;fitenenana teny miboredika an-katezerana. Ahitsio
Fibofahana: (bofaka) a,: Fanetonana, fandefan-javatra fofona midofaka. ¶ Fidofahana. Ahitsio
Fibofohana: (bofoka) a.: Fifonosana lamba matevina, fatoriana ao am-parafera ka mirakotra betsaka. Ahitsio
Fibohafana: (bohaka) a.: Fisavovonana be; figaragarana sy fivahana ho azy; fibontsinana ho ngeza. Ahitsio
Fibohaka: (bohaka) a.: Fisavovona (fiteny indrindra amin' ny zavatra mihofakofaka sy miefakefaka): Mahatsikaiky ny fibohaky ny aolon'io zazalahy io. 1 H.o.: Fandanilaniana foana, fanobatobana. Ahitsio
Fibohiana: na Fibohizana (bohy) a.: Fanosehana ny hafa mba hahazoana toerana bebe kokoa. Ahitsio
Fibohika: (bohika) a.: Fanaovana kiry sy di-doha: Tsy nohaleo ny fibohikany aho ka lasa nandeha Ahitsio
Fibohizana: (bohy) a.: Fanosehana ny hafa mba hahazoana toerana bebe kokoa; fampisehoana hery amam-pireharehana; fidongiana zavatr'olona. Ahitsio
Fiboiboihana: (boiboika) a.: Fivoahan'ny rano na ny ra tsy an-kiianona avy ao anatin'ny tany na ny tena. Ahitsio
Fiboirana: (boitra) a.: Fifantsitsirana; fisehoan-javatra mamorofotra. Ahitsio
Fibolangina: (bolangina) o.: Toetran'ny olona, indrindra ny zaza, dongadonga sy vaventy no salama sy matanjaka. Ahitsio
Fiboletaka: (boletaka) a.: Toetran'ny zavatra miboletaka, izany hoe mietry tonga iva kely. Ahitsio
Fiboletaletana: (boletaleta) a.: Famindran'ny olona fohy, zenizeny, izay miresaresa toy ny ganagana. Ahitsio
Fibolidiana: (bolidy) a-: Fandehandehanana tsy miera ats9 sy are. f• Fitsoahana, fanompoana, fandosirana adidy, fibolilana, Ahitsio
Fibolilana: (bolila) a.: Fibolisarana kely. 1 Filefana adidy, fiporitsahana tsy manao adidy, fibolidiana. Ahitsio
Fibolisarana: (bolisatro) a.: Fikorisana noho ny tongotra tsy mahafahatra fa malama ny tany diavina: MafimafY ihany nY fibolisarany matoa nipitsoka ny tongony. Ahitsio