Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fiandrianana: (andriana) a.: Toetra maha-andriana; voninahitra, fahamboniana, fiamboniana: Tandrovy lalandaua ny fiandriananao. Ahitsio
Fiandrilavenombazaha: a.: Karazana fiandrilavenona (Althoea officinalis). Ahitsio
Fiandrilavenona: o.: Karazamboninkazo volomparasy (Malva). Ahitsio
Fiandrinaina: a.: Karazan-kankana mivelona ao amin'ny tsinain'ny olona; araka ny finoan'ny teo aloha, dia mivoaka, hono, io kankana io rehefa ho faty ilay olonamisY azy. Ahitsio
Fiandrivavala: a.: Anaran-kazo. Ahitsio
Fiandrivoditatatra: a.: Karazam-bano fahita eny amin' ny vody tatatra rehetra eny (Ardea comata). Ahitsio
Fiandry: a.: Aretina mampivonto ny ankasarotana. Ahitsio
Fiangonana: (angona) a.: Trano fivavahana ivorian'ny kristianina mba hanaovana fombam-pivavahana isan-karazany: Lasa any am piangonana izy, ? Ny fitambaran'ny kristianina manaiky lehibe tokana. Ahitsio
Fianianana: (aniana) a.: Filazana am-pahibemaso fa hilaza ny marina, hanao izao na tsy hanao izao. Ahitsio
Fianjera: (zera) a.: Fomban'ny olona na zavatra mianjera. Ahitsio
Fianjerana: (zera) a.: Fahapotrahana. Ahitsio
Fiantafihana: (tafika) a.: Fandehanana any an'ady. Ahitsio
Fiantafika: (tafika) o,: Fomba entina miantafika. Ahitsio
Fiantoko: (toko) a,: Fiandaniana. Ahitsio
Fiantombenana: (tombina) a.: Fianjerana mivaroraka eo am-pitoerana. Ahitsio
Fiantombina: (tombina) a,: Toetran'ny olona miantombina. Ahitsio
Fiantombohana: (tomboka) a,: Fiandohàna. Ahitsio
Fiantomboka: (tomboka) a.: Fomba na toetran'ny zavatra miantomboka, miandoha. Ahitsio
Fiantorahana: (toraka) a.: Fiantsampazana eny amin'olonkafa. Ahitsio
Fiantoraka: (toraka) a,: Fomba entina miantoraka, miantsampy eny amin'ny hafa. Ahitsio