Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fiaka: a,: Fitsakoana zavatra mba hahazoana ny ranony: Fia-pary lava uany, ? Ny f aikan-javatra sisa mijanona rehefa avy notsakoina tahaka ny voalaza etsy ambony ilay zavatra: Tsara ny fary fa misy fiany. - t.i.f.: Fiahina, voafiaka 1 mifiaka, fifiaka, mpifiaka / ifiahana, fifiahana l mahafiaka. Ahitsio
Fiakanakana: (akana) a.: Fomban'ny olona miakanakana izany hoe miambatrambatra na mivakavaka rehefa miteny. Ahitsio
Fiakanakanana: (ahana) a,: Fiambatrambarana rehefa miteny; fivakavakana. Ahitsio
Fiakanga: (akanga) a.: Fomba entina miakanga, izany hoe mianatra ny feon'ny akanga, na mitsaontsaom-bava mankatsy mankaroa na mivelona mitsentsitra ny hafa. Ahitsio
Fiakangana: (akanga) a.: Fianarana ny feon'akanga. ~ Fitsaontsaonam-bava mankatsy mankaroa. ? Fivelomana mitsentsitra ny hafa. Ahitsio
Fiakanjo: (akanjo) a.: Fomba entina miakanio. Ahitsio
Fiakanjoana: (akanjo) a.: Fanaovana akanio. Ahitsio
Fiakarana: (akatra) a.: Fisondrotana avo, fandehanana mananika havoana. Ahitsio
Fiakatra: (akatra) o.: Fomba entina miakatra, misondrotra avo: Toy izao no fiakatra amin'it? tohatra ity, Ahitsio
Fiakàvana: (aka) a.: Fodiana badolahy. Ahitsio
Fiakoriasana: (akoriasa) a,: Fisalasalana, tsy fahatapahankevitra. Ahitsio
Fiala: (ala) a,: Fomba entina miala, izany hoe mandao toerana iray. Ahitsio
Fialahilahiana: (ialahy) a.: Fanaovana ialahy rehefa miteny amin'olona. Ahitsio
Fialahilahy: (ialahy) a.: Fomba entina mialahilahy, manao ialahy rehefa miteny amin' olona. Ahitsio
Fialam-boly: a: Fanalana disadisa, fanaovana izay mba hampahafinaritra ny tena rehefa avy nilofo niasa: Ny fijerena sarimihetsika no mba fialam-bolinay isaky ny asabotsy hariva. Ahitsio
Fialana: (ala) a.: Fandaozana toerana iray: Nalahelo doholo ny namako tamin'ny fia lako tao. • h.o.: Fialana amin'ny fahazaran-dratsy. Ahitsio
Fialanalana: (alanalana) a.: Fomba entina mialanalana, izany hoe tsy momba na iza na iza fa mijanona an'evanevany. Ahitsio
Fialanalanana: (alanalana) a.: Tsy fombana na iza na iza; fipetrahana an'evanevany, Ahitsio
Fialemana: (alina) a,: Sakafo hariva. Ahitsio
Fialikalihana: (alika) a.: Fisehoana ho sarotiny. Ahitsio