Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fiadokadoka: (adokadoka) a.: Fomban'ny olona mirehareha, midihindihina, miedinedina. Ahitsio
Fiadonadona: (adonadona) a.: Fiavonavona, firehareha, fieboebo aseho amin'ny fihetsika. Ahitsio
Fiadonadonana: (adonadona) a,: Fiavonavonana, fireharehana, fieboeboana aseho amin'ny fihetsika. Ahitsio
Fiadra: (adra) a.: Fomba entina miadra, mandà, maneso. Ahitsio
Fiadrana: (adra) a,: Fandavana, fanesoana. Ahitsio
Fiady: (ady) a.: Fomba entina miady: Hafahafa ny fiadin' ity akoholahy ity, Tokony hiadiana: Ady fiady mihitsy izany! Ahitsio
Fiafarana: (fora) a.: Farany, tendrony: Ny fahafatesana no fiafaran'ny zauamananaina rehetra, Ahitsio
Fiafatrafarana: (afatrafatra) a.: Fitomaniana miharo kiakiaka ary miaraka amin'ny fihetsika miankapokapoka. Ahitsio
Fiafatrafatra: (afatrafatra) a.: Fitomany miharo kiakiaka sy fihetsika miankapokapoka; fomban'ny olona miafatrafatra. Ahitsio
Fiafenana: (afina) a.: Fierena. Ahitsio
Fiaferana: (afitra) a,: Fijanonana, fiatoana, fialofana. Ahitsio
Fiafia: a.: Aretina mampitaintaina amin'ny lalan-drano ka mahatonga tsy afaka mivalan-drano. ¶ M.h,: Vato. Ahitsio
Fiafina: a.: Fomba entina miafina, miery mba tsy ho hita. Ahitsio
Fiafitra: (afitra) a.: Fomba entina miafitra, mUanona, miato, Ahitsio
Fiafokafohana: (afokafoka) a.: Hatezerana mitroatra; fisafoahana, fitroarana. Ahitsio
Fiafokafoka: (afokafoka) o.: Fomban'ny olona miafokafoka, izany hoe tezitra misamonthra; fisafoaka; fitroatra. Ahitsio
Fiafonafona: (afonafona) a,: Fomban'ny olona miafonafona, izany hoe romotry ny hatezerana. Ahitsio
Fiafonafonana: (afonafona) a,: Haromotana, fisamonterana, Ahitsio
Fiahanahanana: (ahana) a.: Fisalasalana, fiatoatoana matetika. Ahitsio
Fiahiahiana: (ahiahy) a.: Fiheverana olona iray ho tsy dia tsara loatra, ka misy antony ihany inahatonga izany. Ahitsio