Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fenofeno: (feno) p.t.: Malahelo na tezitra fatratra, nefs toa tsy afaka mivoaka ny alahelo na ny hatezerana. Ahitsio
Fenoina: (feno) mt.ih, (fenoy): Asiana hatrany amin'ny morony: Fenoina rano ny sinibe. • Ampiana: Fenoy kely ity volako it? hividianako lamba telo metatra. Ahitsio
Fenomanana: a.: Filazana ny volana rehefa ilay feno vorivory tsara iny ny fitazana azy, * F.-p,: Vofam-penomanana: volana eo amin'ny mahafenomanana azy. Ahitsio
fenoy:Jereo [feno], totofy, ataovy safononoka Ahitsio
Fentina: p. t.: Entina matetika: Ity no akanjo fentiko miantsena Ahitsio
Fentsahona: a.: Fikainkonana, fikentronana. 1 Mifentsahona, fifentsahona, mpifentsahona. Ahitsio
Fenty: p.t.: Kinga ery raha miteny, matselaka amin'ny firesahana. 1 Mifenty, fifenty, mpifenty / ifentifentena, fifentifentena / mahafenty. Ahitsio
Feny: a.: Ny sofim-basy. Ahitsio
Feny: a.: Ny antsasak'ilan'ny omby eo aoriana. Ahitsio
Feo: a.: Izay ren'ny sofina avy amin'ny fipararetran'ny zavatra iray entin'ny rivotra ka tonga mipaika ny hozatra madinika kiritika kely ao amin'ny sofina: Samy hafa ny feon'ny vato sy ny an'ny t'y velesina. (Misy zavatra telo tsara homarihina ny amin'ny feo: ny haavony, ny hamafiny, ary ny fikarantsany). * F,-p,: Be feo: manana feo ambany, saika midoboka. / Farim-peo: tsy mazava ny feo fa migadragadra izany. / Fotsy feo: ratsy feo. J Manga feo: tsara feo. / Maty feo: tsy mahaloa-peo. / Mivalampeo: tsy mahazo feon-kira rehefa mihira fa midina (mivalana) any amin'izaY tsy izy. / Vaky feo: entina milaza ny sakasakan-jazalahy izay manomboka mihabe feo ka migadragadra izany no fandre ny feony. Ahitsio
Feofeo: ft.: Niavian'ny hoe mameofeo; enti-milaza zavatra manaikitraikitra na maka tenda. Ahitsio
Fepetra: a.: Zavatra tsy maintsy hatao na Raina tsy maintsy hananana mba...: Tokana ihany ny fepetra ahazoana miditra amin'it? fikambanana dia ny fandoavana ny latsakemboka, • Teny atao anisan'ny antony ijoroan'ny fifanekena na fifanarahana ifanaovana: Izao no fepetra ataoko aminao: afoiko ho anao telo hetsy id trano it9 raha aloanao izao ankehitriny izao ny iray hetsy, ¶ M. h,: Anjoanjon-teny. Ahitsio
Fera: (fr. fer.) a.: Peratra. ? Karao na fitaovana fipasohana. * Vy mitana ny lelan'ny raboha. Ahitsio
Ferana: (fetra) mt.ih. (fero): Asiana fetra: Noferon'ny fanjakana ny vidin'ny vary. * Soritana, faritana: Notera-na ny sisin-tanin'ny firenena rob. Ahitsio
Ferena: (fery) p.t.: Rakotry ny fery: Ferena id zaza it? ka tokony hotsaboina. Ahitsio
Ferinaina: a.: Fijaliana mafy. - t.i.f.: Miferinaina. Ahitsio
Fery: a.: Fahatriaran'ny nofo noho ny fera. harnaizana na vay: Lalina ny fery. / Tokony hofehezina tsara ny ferin' ity mpilaiao naratro ? H. o.: Kilema, triatra kely: Efa nisy feriny io vilany io ka tsy mahagaga raha vaky. •Henatra, fahafaham-baraka: Fery ho an'ny fianakaviana izao nataonao izao, anakal - t.i.f.: Ferena, ferezina, voafery. - F,-p.: Ferin'aina: fahoriana entina an-kasarotana mafy, ka efa atao mampijaly ny tena aoka izany (fiteny koa ny hoe feritr'aina, izay an-gamba avy amin'ny fanaovana ny na ho tra fotsiny ihany), / Miferin'aina na mfferitr'aina: mijaly tsindrian'alahelo aoka izany. / Fery mihady: fery mandoaka toy ny homamiadana. / Ferin-jaza: ferin'ny fandidiam-poitra. / Mamangy ferin-jaza: mamangy zaza avy nodidiam-poitra. / Moraim-pery: enti-milaza zaza nodidiam-poitra izay sitrana haingana ny fexinY. / Miari-pery: mizaka izay mahazo. / Mahari-pery: mahazaka izay fahavoazana manjò. Ahitsio
Fesafesa: a.: Zavatra atono ao anaty ravina ka apetaka amin'ny faritra mivonto na marary tsotra;petakilasy. Ahitsio
Fesana: a.: Zavatra fonosin.dravina dia atono atao petakilasy, - t.i.f.: Fesanina, voafesana / mamesana, famesana, mpamesana / amesanana, famesanana / mahafesana. Ahitsio
Fesanina: (fesana) mt.ih. (fesano): Asiana fesana na petakilasy. Ahitsio