Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Felaborona: a.: Karazan-kazo (Cupania). Ahitsio
Felambarika: a.: Karazan-kazo kely (Dyonychia Bejeri), Ahitsio
Felana: a.: Ny atin'ny ravina mitapelaka: Maitso tanora mahafinaritra ny felan'it3 ravinkazo • Vonin-javamaniry mivelatra: Efa ho vaky felana it9 voninkazo ity+. * Fanaovana teny mamy. - t.i.f.: Mifelana, fifelana, mpifelana / ifelanana, fifelanana. Ahitsio
Felana: a.: Akorandriaka na volafotsy fanaon'ny lehilahy Sakalava amin'ny handriny ho haingo na ody. Ahitsio
Felatanana: a.: Ny atin'ny ta-nana: Sasao fa maloto izany felatananao izany. - F,-p,: Am-pelatanana: entimilaza zavatra ananan'ny te-na eo amin'ny tena amin'ny fotoana iresahana: Tsy ma-nana afa-tsy ariary zato aho izao eto am-pelatanako. / Felatanana rafla zara: enti-milaza ny olona miseho ho miasa er? rehefa misy mahita toy ny ankizy kamo na ny olona mitady sitraka. ¶ M. h.: Tondxo mila zara. Ahitsio
Felehina: (felika) mt.ih. (feleho): Iolahana. Ahitsio
Felika: a.: Fanodidinana, fandehanana avy any ivoho, fiolahana. - t.i.f.: Felehina, afelika / voafelika, tafafelika / mifelika, fifelika, mpifelika / ifelehana, fifelehana / mahafe. lika. Ahitsio
Felika: a.: Anaran-kafa ilazana ny anana. ¶ M,h,: Anana, traka. Ahitsio
Fempenana: (fempina) mt.ih, (fempeno): Tampenana, tsentsenana: Fempeno tsara io lava-boalavo io mba tsy hidiran'ny voalavo intsony. Ahitsio
Fempina: p.t.: Tampina, tsentsina, tsy misy hivoahana: Fempina ny arabe fa nisy lozam-piarakodia nitronga, - t.i.f.: Fempenana, afempina, voafempina / mamempina, famempina, mpamempina / amempenana, famempenana / mahapempina. Ahitsio
Fenakoho: a,: Fanomezana omen'ny ray arnan-dreny ny zanaka rehefa tonga ny fandroana, ka raha mbola amin' ny fotoana tsy ahazoana ma-mono zava-manan'aina no anomezana azy, dia vola no a-tao. Ahitsio
Fendrofendro: a,: Endrika malahelo, mifararemotra toy ny hitomany. i Fendrofendroina, voafendrofendro / mamendrofendro, famendrofendro, mpamendrofendro / amendrofendroana, famendrofendroana / mifendrofendro, fifendrofendro, mpifendrofendro / ifendrofendroana, fifendrofendroana / mahafendrofendro. Ahitsio
Fendrofendroina: (fendrofendro) mt.ih. (fendrofendroy): Asaina mifararemotra: Aza fendrofendroinao eo io zazakely io. Ahitsio
Fendrotra: a.: Fananana endrika miketrona noho ny fahoriana mahazo na fanaintainana amin'ny aretina. - t.i.f.: Afendrotra, voafendrotra / mifendrotra, fifendrotra, mpifendrotra / lfendrotana, fifendrotana / mahafendrotra. Ahitsio
Fenerena: (tery) a.: Fampanaovana zavatra na tiana na tsy tiana. Ahitsio
Fenifeny: a,: Fahamaikamaikana, fahasempotsemporana miteny na mandeha ets? sy er3'. - t.i.f.: Mifenifeny. Ahitsio
Fenitra: a.: Fomba fanao, indrindra izay mikasika fifandraisan'ny vahoaka sy ny andriamanjaka fahizay: Tsy miova fenitra ny ambanilanitra. • Ireo soritra amin'ny rary mifanipaka, izay toa mahavita sary. - Arofenitra: fitambaran'ny fitsipika mifehy ny fomba fanao amin'ny toe-javatra mikasika ny manam-pahefana ambony amin'ny fanjakana, / Feni-drary: sarindrary fanao amin'ny zoron' ny tsihy. I Feni-karona, fenitatamo: haingon-drary fanao amin'ny harona na sobika. I Tsy miova fenitra: tsy miova amin'ny fomba efa fanao. Ahitsio
Fenja: a.: Famiazana, fitazonana tsy hikofoka. - t.i.f.: Fenjaina na fenians, voafenjana, nofinenja / mamenja, famenja, mpamenja / amenjana, famenjana 1 mifenja, fifenja, mpifenja / ifenjana, fifenjana / mahafenja, Ahitsio
Fenjaina: na Fenjana (fenja) mt.ih. (fenjao): Gejana, fiazana: Nofenjainy ny tanako ka sosotra aho. ? Tazonina tsy handehandeha, tsy hikofoka, giazana: Fenjao ao am-pahitra ao ireo omby ireo fa be, hono, ny mpangalatra ombY. Ahitsio
Feno: p.t.: Misy zavatra ao anatiny manontolo, misy rano hatramin'ny morony, henika, himpona: Feno olona ny tsena. / Feno rano ny si-n y, i t.i, f.: Fenoina, afeno, voafeno / mameno, fameno, mpameno i amenoana, famenoana i mifeno, fifeno, mpifeno / ifenoana,fifenoana / mifameno / mihafeno / mahafeno / fenofeno, hafenoaana. ¶ M.h.: Feno hika, feno hipoka, feno hizina, feno mihintsana, feno mitipitipy, feno mitihitihika, himpona, tsepoka, tsipoka, hivoka, tsentsina, fempina, tampina, mamotsentsina, hifotra, mifatratra, tomefy, tototra, miangoango, feno miatiaty, midibadiba, Penn mibinabina, mizihitra, mivozihitra, mizihizihy, miziniziny, mizetra, mitafotafo, tonga fatra, somafatra, safomorona, avo loha, mihoa-pefy, dabadabaka, diby, hotsaka, vonto, ampoka, safotra, mangeniheny, manjepizepy, somaba, safononoka, diboka, heraka, henika, lelika. Ahitsio