Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fefy: a.: Vala fiarovana sy fisakanana, fetra tsy azo ihoarana: Misy fefy ny tokotaninay ka tsy misy alika afaka miditriditra ao. - t.i.f.: Fefena, voafefy, afefy / mamefy, famefy, mpamefy 1 amefena, famefena 1 mit et y, fifefy, mpifefy 1 ifefana, fifefena 1 mahafefy, ¶ M.h.: Vala, rova, tamboho, ampiantany tsivikinindahy, aro, kiady, manda. Ahitsio
Fefy: a.: Omby vonoina rehefa avy mandevina. 1 t.i.f.: Mitefy, Ahitsio
Fehana: a.: Karazam-bero fanaovana vovo (Andropogon nardus). Ahitsio
Fehezan-dalàna: a.: Fitambaran'ny didy maromaro iray tarika. Ahitsio
Fehezana: (fehy) a.: Zavamaniry miaraka amin'ny tahony atao indray mifehy: Fehezam-boninkazo. ¶ M.h.: Amboara. (Tsara homarihina fa ny hoe fehezana dia anisan'ireo anarana avy amin'ny mt. ih, misy tovana ina fa novana ana: fehezina -fehezana; tetezina-tetezana; fonosina-fonosana). Ahitsio
Fehezanteny: a.: Antokon-teny manan-kevitra feno: Tia ahy i neny. Matetika antokon-teny na teny telo manana ny anjara asany avy no mirafitra ho fehezanteny (la• zaina: i neny, enti-milaza:tia; fameno: ahy). Misy karazany efatra araka ny fits.-p. a-dr., ny fehezanteny: ny fehezanteny tso-drafitra (mihira ny ankizy) ny fehezanteny mivadi-drafitra (Isambilo no namaky fitaratra), ny fehezanteny takona ila (aleo mande-ha, rankizy), ary ny fehezanteny kely indrindra (mandehana). Ahitsio
Fehezina: (fehy) mt.ih. (fehezo): Fatorana: Fehezo tsara ny kitay sao latsaka. f• Entina, didiana: Nofehezin'ny Kapiteny Ranona ireto miaramila ireto taona its9. Ahitsio
Fehikibo: a,: Anja-koditra na zavatra hafa atao fehy eo amin'ny kibo. Ahitsio
Fehilefitra: a.: Ny vona atao amin'ny karavato. Ahitsio
Fehiloha: a.: Tapa-damba lava-lava ahodidina ny loha mba hamihina ny volo. •Karazankaingo atao manodidina ny loha. Ahitsio
Fehim-pihavanana: na hoe koa Fehim-ponenana a.: Fifamatoran'ny olona ixaY fianakaviana na iray fileovana na mifankatia tsotra fotsiny, ka mahatonga azy hifamangy mba ho fanamafisana ny fihavanana isaky ny misy hafaliana, fa indrindra raha misy manjii. Ahitsio
Fehin-teny: a.: Teny fohifohy atao famaranana no sady f amintinana izay rehetra voalaza tamin'ny famelabelarana. Ahitsio
Fehintenda: na Fehitenda a,: Karazan-kaingo na fombampitafiana afehy manodidina ny tenda mba hampahafana ny tends, indrindra raha mikohaka. Ahitsio
Fehitratra: a.: Aretina misy fihandronan-dra ao amin'ny havokavoka. Ahitsio
Fehivava: a.: Anja-koditra kely amehezana ny vavan'ny alika mba tsy hanekerany: Asio fehivavany fo olika io fa me• ty hanaikitra. Ahitsio
Fehivavany: a.: Fanekena mahazo mifamerina amin'ny varotra: Varotro misy fehivavany (mifanohitra amin'ny varo-tsy mifody). Ahitsio
Fehizay: p.mt.: Mitovy amin' ny Fahizay, Fahizany, Ahitsio
Fehizoro: a.: Vato fanorenana alatsaka alohan'ny hanaingana ny rindrina; vato fanorenana, fototra. Ahitsio
Fehy: a.: Famatorana amin' ny tady: Ratsy fehy ireto kitay treto ka hianJera tsirairay eny an-dalana. ~ Zavatraiandraiketana: Tsy fehin'ny Filohan'i Madagasikara ny Nosy Comores. - t.i.f.: Fehezina,afehy,voafehy, nofinehy / mamehy, famehy, mpamehy / amehezana, famehezana / mifehy, fifehy, mpifehy J fehezana, fifehezana / mahafehy. ¶ M,h,: Vona, fatotra, rohy, fehy maty, fehy singory, fehy handrotra, tadivavarana. Ahitsio
Feizay: p.mt.: Tsy amin'ahiahy: Mandry fetzay. Ahitsio