Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fatratra: p.t.: Kanto, tsara tarehy aoka izany: Fatratra izany trano izany. e p.mt.: Aoka izany, izaitsizy: Miasa fatratra ianao izany. / Fatra-panao kitoatoa izy. ¶ M.h.: Babany, babantany, by, kanto, ngita, manga, mafotaka, marilritra, mantsalay, lalina, fanaperana, tanteraka, tontosa, tomombana, lavorary, isafatsiroa, tokana amantany, tsy roa aman-tany, tapitra ohatra, tapitra efatra, tsy misy toa azY, tsy manantsahala, tsy manam-paharoa, tonga lafatra, ary fenitra, farafarampony, baka lany sahaza, tsy misy tomika, maty paika, mangidy vato, lani-datsaka. * Ohab.: Izay fatra pandà ihany no manaiky: matetika ireo mikiribiby manda mafy ihany no milefitra manaiky amin'ny farany. / Izay fatrapiahiahy mpamosavy: izay miahiahy fatratra olona ho mpamosavy no mpamosavy. J Fatra-pifehy trano: mihevitra ny olona rehetra ho mp angalatra. Ahitsio
Fatrifotony: a.: Fomban-drandram-bolo iray: alaina ny volo dia aolikolika eo amin' ny fotobolo, saika mipetaka amin'ny hodi-doha mihitsy. Ahitsio
Fatritra: P.t.: Ratsy fiaina, tsy tsars toetra, tsy maotina: Fatritran'olona ilay zazalahy iny, anaka, ka fadio ny miaraka aminy. ¶ M.h.: Batritra. Ahitsio
Fatro: (t.tr.) p.t.: Botrabotra, donga. Ahitsio
Fatrofatro: p.t.: Dongadonga na dofodofotra, vaventy, matavy. Ahitsio
Fatsafatsa: Be resaka sy mipentsompentsona tafahoatra. - t.i.f.: Mifatsafatsa. Ahitsio
Fatsaka: a.: Bala madinika izay miparitaka rehefa itifirana. Ahitsio
Fatsaka: p.t.: Fetsy ratsy, holokoloka, be tetika. ¶ M.h. : Jer. Fetsy. Ahitsio
Fatsifatsy: a.: Vongambongana madinika fasipasehina. - t.i.f.: Mifatsifatsy 1 fifatsifatsy. Ahitsio
Fatsora: p.t.: Fetsy, mahay mampiseho ny hafetseny na ny laingany amin'ny endrika somary hatsikana na be vazivazy; mpamitaka malama vava, mpandaingalainga, kapotsaka. ¶ M.h.: Jer. FetsY. Ahitsio
Faty: a.: Vatan'olona na biby tsy misy aina intsony: Misy fatin-tsaka ao atsinanan-trano oo. ~ Fahafatesana: Faty hita izao ka hirosoana ihany, ~ Faharesena amin'nY kilalao; fahavoazana amin'ny loka: Mbola hanarina ny fatiko aho. ~ mt,: Enti-milaza ny ho avy amin'ny mt.'naty": Ho faty daholo ihany isika rehetra. i t.if,: Maty / mahafaty / ahafatesana, fahafatesana. ? F.-p.: Faty antoko: fahavoazana amin'ny varotra, izay mihatra amin'ny olona nivarotra zavatra latsaka no-ho ny masonkarena na izay nahazoany azy. / Faty be: heloka be vava vitana mpiray tetika maro. / Faty be mora efaino: mora ny inhala amin'ny raharaha be mpiray tetika, / Faty hanina na faty an-kanina: tenda an-kanina, sarotra an-kanina. / Faty hita: fahafatesana miharihary izao, loza efa mananontanona. / Faty lena: fatin'olona vao matY. / Fats, maina: fatin'olona efa maty ela ka avadika, / Fatim-balala: fahafatesana mandripaka olona be dia be: Nanao fatim-balala ny mPOnina tamin'ny fotoanan'ny giripy espaniolina. / Valy faty: famelezana olona izay namely ny tena. Ahitsio
Fay: p. t. : Tsy sahy intsony fa nahita fahavoazana; matahotra ka tsy sahy mamerina izay natao teo aloha : Niialao afo Ibalita ka may : fay ny adala ka tsy te hiherika afo in tsony. ¶ M.h. : Fay, lao, maso voa sakay, nahita faisana, nandray ny kiho, tsy tia vernira, tsy tia hiherika, tsy tia mainty, tsy tia mololo, leom-boananana, afon-dolo af on' angatra. Ahitsio
Fay: a. : Karazan-trondron-dranomasina boribory saingy fisaka eo an-tampony ary kely lava ny rambony, —.~ Ahitsio
Fe: a.: Faritry ny rantsam-batana axnbany hatreo amin'ny valahana no ho midina ka hatreo amin'ny lohalfka. Ahitsio
Fe: "Fa hoe" (teny ampiasaina eo anelanelan'ny teny roa mba hilazana fa anarany fotsiny ny teny lazaina no manao ny asa voalazan'ilay teny voalohany saingy hoe ma-nana ny toetra voalazan'ilay teny faharoa, fa raha ny marina tsy izany velively): Mitsangom-pe olona: mitsangana fa hoe olona, mitsangana saingy hoe olona, fa tsy ma-nana ny tena maha-olona. Ahitsio
Fe: Teny kely ampiasaina eo anelanelan'ny teny iray miverina indroa, ilazana toetra na asa tsy zarizary: Manao fe manao: zara raha manao, manao tsy zarizary. (Tsara homarihina fa ity teny itq dia mifanohitra amin'ilay teny hoe: "dia", izay mitovy fampiasa indrindra aminy fa ny heviny kosa mifanohitra amin'ny azy: Manao dia manao: tena manao marina tokoa). Ahitsio
Fefehina: (fefika) mt.ih. (fefeho): Vakina: Fefeho ireto otody roa ireto hoendasina. e Asiana, tefena totohondry: Nofefehin'ilay kary ny zanako dia lasa nandositra izy. Ahitsio
Fefena: (fefy) mt.ih. (fefeo): Asiana fefy, asianavala, asiana zavatra miaro manodidina: Hofefeko ny tanimboliko mba tsy hidiran'ny akoho. / Fefen'ny reny ny zanany rehefa matory. Ahitsio
Fefika: p.t.: Rendrika, vaky nidona tamin'ny harambato: Fefika tany akaikin'i Vohimaro ny sambo. f• H•o.: Vaky: Fe fika ilay atody vao novidina, ~ Lany harena, maty antoka: Fefika ilay mpivarotra tao akaikinay, - t.i.f.: Fefehina, afefika, voafefika, tafafefika 1 manie-film, famefika, mpamefika 1 amefehana, famefehana 1 mifefika, fifefika, mpifefika 1 mahafefika. Ahitsio
Fefiloha: a.: Ampiantany kely izay atsangana mba hisakana ny rano tsy hihoatra. (Ny niavian'io teny io, araka ny nolazain'ny tantara, dia ny hevitra hoe "mba ho fefin' ny loha tay ho tapaka", sa-tria, hono, nanao lalàna faran'izay henjana Andrianampoinimerina fa izay vatandehilahy tsy marary nefs tsy tonga namonjy rano vaky mety hampirodana fo ampiantany io dia notapahina ny lohany). —( Ahitsio