Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Faritsoka: a.: Tsora-kazo malefolefo, rantsankazo fikapohana. - t.i.faritsohana, afaritsoka, voafaritsoka / mamaritsoka, famaritsoka, mpamaritsoka / amaritsohana, famaritsohana / mifaritsoka, fifaritaoka, mpifaritsoka / mahafaritsoka. Ahitsio
Farofy: p,a: MararirarY matetika, tsy salama fa manana aretina, farary. ¶ M.h.: Jar. Farary. Ahitsio
Faromaso: a.: Karazan'ahitra (Thumbergia). Ahitsio
Farombaka: a.: Fifanosehana hanao asa, haka zavatra, hiteny. - t.i.f.: Mifarombaka, fifarombaka, mpifarombaka 1 ifarombahana, fifarombahana I mahafarombaka. Ahitsio
Faromo: (Ski) a.: Zavatra atao anatin'ny sambo mba hanavesatra azy ka hahatnarindanja azY. Ahitsio
Faroratra: a.: Zavatra maditidity miraikidraikitra. ~ Ny tadim-p olihala. - t.i.f.: Mifaroratra, fifaroratra, mpifaroratra I ifaroratana, fifaroratana 1 mahafaro. ratra. Ahitsio
Fary: a.: Zavamaniry toy ny bararata ny habeny, misy vaniny sy tonony, arj' fifiaka fa mamy ny ranony ka mahatonga azy hanaovana airamamY, a F.-p.: Fory gasy: fary izay mifanety kely tij' tonony. / Farimanga: fary manopy me-na. f Farimaoisa: fary ampiasama amin'ny ala volon-jaza sY amin'ny fandidiani-poitra. f Forimaty: karazam-bahy mandadina fanao haingontrano. / Manao fary mitety reny: mitatf-bolana'ombieny ombieny. Ahitsio
Fasana: a.: Lavaka na toerana namboarina handevenana ny maty. - F,-p,: Fasana aniritra: fa-sana atao vonjimaika ambara-pitondra ny maty ao amin'ny fasan-drazana; matetika ny fasana aniritra dia lavaka vita rarivato amin'ny lafiny efatra ka saronana vato fisaka izay atao rako-pasana, ka io no rangolahy amin'ny fasana aniritra. / Fasan'ny ntaolo na fosandrazana: fasam-pianakaviana malagasY izay toy ny trano misy faxafaxa vato mifanongoa an-daniny roa, ary amin'ny lafinY andrefana inlay ny rangolahy: vato fisaka atao varavarana mahazo mivoha sy mikatona avy eo anoloana. /Fasam-poana: efitra foana mova tsy ny lalantsara ao anaty fasana, eo anelanelan'ny varavarampasana sy ny aty fasana. Ahitsio
Fase-mara: (Ski) a.: Fasika vaventy eny amoron-dranomasina. Ahitsio
Fasehina: (fasika) p.t.: Be fasika, toa misy fasika: Tany fasehina izany tany at? izany, • H,o,: Masaisay sy maraorao, marokoroko: Rauinkazo fasehina. Ahitsio
Fasiana: (iay) a.: Fametrahana: Tanty fasiana sira. Ahitsio
Fasika: o.: Potipoti-bato faran' izay madinika avy amin'ny tany: Afangaro amin'ny fasika ny simenitra. 1 p.t.: Be dia be; tsy hita isa, tsy tambo isaina: Fasika izay vahoaka nitaena ny Filohan'ny Nosy izay. - t.i.f.: Mamasipasika. - F,-p,: Fasi-poiaka: fasika malemy mora miletsy ka matetika koa mors ilentehana, / Milaza fasika: milaza lainga. / Ohatra ny fosika: be dia be, alinalina, tsy hita zambazamba. Ahitsio
Fasina: o,: Fanononana ny hoe "fasana" taloha, na ankehitriny koa aza, amin'ny faxitany sasantsasany. Ahitsio
Fasina: a.: Moron-dranomasina. Ahitsio
Fasiny: (Ski) o.: IlaY hazo mitsangana eo amin'ny loha sy vodin'ny botry izay iadian' ny hazo-fisaky nY vatany. Ahitsio
Fasiny: o,: Amin'ny hira misY feo maro, ilay fizarana na paritra tanan-dehilahy lehibe, eo anelanelan'ny torebiny sy ny beso. Ahitsio
Fasitara: a,: Lainga sy habobo entina hamitahana na handokadokafana: Olona be fast-tara koa Rangahy iny! Ahitsio
Fatafa: a.: Zavatxa enti-manohitra ny tafa. Ahitsio
Fatahorana: (tahotra) o,: Fivadiham po. Ahitsio
Fatambary: a. (fiovan'ny hoe fatram -bary):Kapoaka na harona kely amarana ny vary arotsaka: Vary indimin'ny fatambary arotsaka, ry Bozy o, Ahitsio