Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Faravodilanitra: a.: Ilay faritry ny lanitra er? amin'ny taza-maso, izay toa mikasika amin'ny tany: Efa hariva ny andro: misafoeafo ery am-porauodlianitro ny masoandro. Ahitsio
Faray: a.: Korintsana fampiasan'ny mpively zavamaneno, vita amin'ny volotsangana (telo tonona); voan-javatra madinika no ataony ao anatiny. Ahitsio
Faria: a.: Anarana niantsoana ny tanimbary taloha: Vaiamparia: Tany mamefy ny tanimbary tsy hikambana amin'ny hafa. Ahitsio
Faribody: a.: Enti-milaza rano kely dia kely manarona f?tsiny ny fanambanin'ny siny na ny kapoaka na ny vera. Ahitsio
Faribohitra: a.: Fizaran-tany kely indrindra ara-pitondrana iadidian'ny ben'ny faribohitra na ny mpiadidy. Ahitsio
Faribolana: o,: Tsipika boribory feno tanteraka ka mitovy ny elanelan'ny teboka rehetra aminy amin'ny teboka iray eo afovoany. - F.-p.: Manao faribolana: mitandahatra manao boribory. Ahitsio
Faridanonana: a.: Fahazavana hita misoritra manodidina ny volana indraindray. Ahitsio
Farihy: a,: Tany lemaka lehibe feno rano mihandrona tsy mivoaka: Farihin'Alaotra. (Misy karazanY telo ny rano mihandrona amin'ny tany lemaka toy izany arakaraka ny halehibeny, ka nY farihy no lehibe indrindra, dia ny kamory, ary ny dobo no kely indrindra, ka itf farany mety ho vita-Nanahary na axin-tanan'olombelona). Ahitsio
Farimanga: a,: Fary mena manopy volomparasY ny tahony. Ahitsio
Farimaola: o.: Anaranaiantsoana ilay fary entina mihazakazaka ka enjehina mba ho azo raha misy hasoavana,toY ny fakam-bolon-Jaza na ny fandidiam-poitra. Ahitsio
Farimaty: a.: Karazam-bahy mandadina fanao haingontanàna. Ahitsio
Farimbona: a.: Fiaraha-manao. i Mifarimbona, fifarimbona, mpifarimbona I itarimbonana, fifarimbonana. Ahitsio
Farina: a.: Fitohanana tsy mivalana ho an'ny zaza. / t.i.f.: Mifarina. Ahitsio
Farina: a.: Ny hoditra manify mihofakofaka amin'ny tarehy. Ahitsio
Farina: p.t.: Tsy mahateny tsara fa toy ny migadragadra ny feo, tsy mahahira tsara: Voan'ny vovoka aho omaly ka farina ny feoko, - t.i.f.: Mahafarina. - F.-p,: Farim-peo: tsy mahateny tsara fa migadragadra ny feo. I Hafarinam-peo: toetran'ny feo farina. Ahitsio
Faritana: (faritra) mt.ih. (farito): Asiana faritra: Nofaritana ny tanimbolinay, 1 Ferana: Nofaritan'ny antenimieram-pirenena ny fahefan' - ny lehiben'ny fivondronana. Ahitsio
Faritanàna: a,: Fizaxazaran'ny tanàn-dehibe iray. Ahitsio
Faritany: a,: Faritra,lehibe ao anatin'ny tany iray, manantoetxa sy fomba manokana, toy ny toetr'andro sy vokatxa,..: Ny faritanin'i Boina, ~ Fizaran-tany lehibe indrindra ara-pitondrana, izaY natao hoe Provansy teo aloha, mizarazara ho fivondronana: Ny faritanin'i Toiiary no lehibe indrindra amin'ny faritony enina eto amin'ny Nosy. Ahitsio
Faritra: a.: Ny sisin-javatra: Lazao aiza avy ny faritr'i Ratai-lao. ~ Fetra mamangitra zavatra iray: Asivo faritra ny tokotanintsika, ¶ M.h.: Fangitra. - t.i.f.: Faritana, voafaritra, afaritra, finaritra 1 mamaritra, famaritra, mpamaritxa I amaritana, famaritana 1 mifaritra, fifaritra, mpifaritra 1 mahafaritra 1 fariparitra. - F,-p,: Fari-bava, finari-bava: izay voafaritry ny vava, tapaky ny vava, ny faxa hafatry ny olona iray. 1 Faribody: izay mahahenika fotsiny ny vodin'ny fasian-drano iray, kelY bitika: Rano fartbodin'ny zinga. / Voafari-body: enti-milaza asa na raharaha efa natomboka. 1 Faribolana: enti-milaza sary vorivory. 1 Faritany: fizaran-tany. Ahitsio
Faritsohana: (faritsoka) mt. pdr. (faritsohy): Kapohina amin'ny tsorakazo, tehafina: Nofaritsohany tsorakazo, tehamaina, ny zanany. Ahitsio