Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fany: a.: Jer. Fano. Ahitsio
Fao-dranomaso: (faoka ranomaso) a.: Vola famangiana amena ny tompon'alahelo raha mbola eo am-bohitra ny razana (tsara homarihina fa mbola misy anarana hafa o-mena ny vola famangiana amin'io fotoana io, toy ny hoe solon-tsosoa, ranombary tsy masaka, fa anarana hafa kosa no iantsoana ny vola famangiana amin'ny fotoana hafa: kofehy, solon-kofehy, rambondamba, zara levenana). Ahitsio
Faohana: (faoka) mt.ih. (faohy): Diovina amin'ny fampandalovana lamba eo arnboniny: Tsy nofaohanao tsara ny fanaka, anaka. Ahitsio
Faohàny: (matetika averina indroa) a.: Teny azo adikahoe "Alefa alefa ihany ka enti- na mampirisika hanao fainga- na, handeha tsy misy fiatoa- na ary tsy matahotra. Ahitsio
Faohina: (faoka) mt.th. (fao- hy): Esorina arnin-kery sy haingana. M.h.: Paohina, ongoahana: Nofaohin'ny papongo ny akohokeiin'Ikoto. 1 Angalarina atao majifa: Nofaohin'ny mpangaiatra ny entany tany an-trano. Ahitsio
Faoka: a.: Famafana zavatra hampahadio na hanamainana azy. - t.i.f.: Faohana, faohina, voafaoka I mamaoka, famaoka, mpamaoka I amaohana, famaohana 1 mifaoka, fifaoka, ka, mpifaoka I ifaohana, fifaohana / mahafaoka. Ahitsio
Fara: a.: Taranaka, dimby, solofo (tsy fampiasa irery afatsy amin'ny hoe "Arahaba nomen'Andriamanitra ny fara, mahazo fora". Fa matetika dia miaraka amin'ny tenY hoe "dimby": Hoderain'ny fora aman-dimby ny olona nahavita soa toa azy. I p.t.: (ampiasaina atao eo alohan' ny anarana). Amin'ny fotoana na amin'ny laharana aoriana indrindra: Nanao fora jery ny zanany .izy dia lasa. 1 Amin'ny laharana ambony indrindra: Tonga omin'ny fora voninahitra izy (tsara homarihina fa mitovy amin' ny hoe "farany" ihany ny hoe "fara",•saingy ny "faxa", atao alohan'ny anarana, ny "farany" kosa eo aoriana: farajery, fijerena farany). - t.i.f.: Mfafaxa, fiafaia, mpiafara j iafaxana, fiafarana. a Faran'ny aina: ny zanaka nateraka faxany indrindra. / Faran'ny lohany: Fitovizan-javatra mitohy hatrany: Faran'ny lohany amin'ireo zokinao teo aloha ital, anaka, ka mpampianatra indray koa ital no moka anao ho vady. Ahitsio
Fara: Farafara a.: Fepetra ifanarahana mialoha amin'ny fifanekena ifanaovana, i t.f.f.: Faxafaraina na faxafaxana, voafarafara, nofinarafaxa f mamarafara, famarafara f amarafarana, famarafarana / mahafarafara, Ahitsio
Fara: (fr. Phare) a.: Tilikambo avo misy fanala mirehitra amin'ny alma manondro ny lalana tokony halehan'ny sambo na ny fiaramanidina Ahitsio
Faraborona: P.t.: (Ilay) farany indrindra. Ahitsio
Farafara: a.: Fandriana avoavo misy tongony ay tsikalany i petrahan'ny kidoro. - F.-p.: Faralara mandeha: I-rony farafara mahazo miforitra raha mandeha, na misy kodiarana kely. J Farafara vato: Ireo karazana talantalana vato ao am-pasana ampandriana ny maty. f Farafaran-tany: enti-milaza tany vita ambaratonga. f Farafara nandrian'ny mata: ny vehivavy vadm'ny maty. * Ohab.: Hazakazaka ambony farafara: samy manala izay ho afany: toe-javatra manahirana tsy misy hifanam-Piana fa samy miezaka manao izay vitany avy. Ahitsio
Farafaraina: na Farafarana (farafara) mt.ih, (farafarao): A-siana fepetra mazava tsars mba tsy hisy fifanolanana any aoriana: Aoka hofarafaraina tsara na fanekentaika alohan'ny hanaovana sonio. Ahitsio
Farafatse: (Ski) o.: Haro maivanafanaolakana, Ahitsio
Farahatoka: a: Ny hatoka mikasika indrindra ny loha (ny faritry ny hatoka mifandray amin'ny taolam-bozonakosa atao hoe 'lratok'angidina"). ? Ny fomban-drazana. Ahitsio
Faraidiny: p.o,: Fadiranovana, ory noho ny ory rehetra. 1 Ratsy indrindra, ambany indrindra. Ahitsio
Faraingo: a.: Zavatra mailodoha,farango. - t.i.f.: Faraingoina, afaraingo, voafarafngo I mamaraingo, famaraingo, mpamaraingo t amaraingoana, famarafngoana j mifaraingo ) iParafngoana, fifaraingoana I mahafaraingo. Ahitsio
Faraingoina: (faraingo) mt.ih. (faroingoy): Atao mifaralngo, mifeloka ny lohakellny: Faraingoy fty uy it3. Ahitsio
Faraingososona: a.: Mari-tsoratra " " toa faraingo roa sosona anankiroa, ka ny voalohany atao eo alohan'ny tenin'olona lazaina, ary ny faharoa mamarana azy: Hoy i rainy tam in 'Isambilo hoe: "Mianara tsara fa sarobidy noho ny vola ny fianarana". Ahitsio
Faralahy: a.: Ny lahy farany indrindra amin'ny zanaka lahy, Ahitsio
Faralambotra: a.: Karazam-borona an-drano. Ahitsio