Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanosona: (sosona) a.: Fomba entina manosona, na manlsy sosona. ~ p.t.: Izay azo sosonana. Ahitsio
Fanosonana: (sosono) a,: Fanasiana sosona. Ahitsio
Fanosorana: (hosotra) a,: Fantavonana na fandalorana amin'ny menaka, loko... fanamasinana, fametrahana na fanokanana hiandraikitra raharahalehibe sy ambony, Ahitsio
Fanosotra: (hosotra) a.: Fomba enti-manosotra. ~ p. t.: Azo hosorana. Ahitsio
Fanosy: (hosy) a.: Fomba entimanosy. ~ p.t.: Azo hosena: Tsy mbola fanosy ity tanimbary Ahitsio
Fanota: (ota) a.: Fomba entina manota, Ahitsio
Fanota: na Fanotany (ota) a.: Tsinin-javatra kely mahatonga ny tenany manontolo ho ratsy. Ahitsio
Fanotana: (ota) a: Fanaovana hadisoana, fandikana didy na fitsipika. Ahitsio
Fanotazana: (oty) a: Fampisaraha-nono. Ahitsio
Fanotikotehana: (kotikotika) a.: Famotipotehana, fitambolimbolenana, fitangolikolehana. Ahitsio
Fanotikotika: (kotikotika) a.: Fitambolimbolina, fitangolfngolika: Tsy laitrako izany fanotikotiky ny kiboko. ~p, t.: Fandrovitra (zavatra). Ahitsio
Fanotina: (otina) a: Fomba entina manotina, na manozongozona (hazo), Ahitsio
Fanotinana: (otina) a.: Fanozongozonana, fanetsiketsehana (hazo). Ahitsio
Fanoto: (toto) a.: Fomba entina manoto: Ny fanoton'ny omby. ? Fitaovan entina mamotfpotika zavatra na mikosika ny vary akofsy hialan' ny hodiny ao anaty laona: Hazo boribory lovoiava mazdna ny fonoto. ? p.t.: Azo totoina: Ny tsoromaso tsy mba fanoto, - F,-p.: Fanoto nato: fanoto natao tamin'ny hazo nato / Fanoto vy: fanoto izay misy vy ny tendrony; baramina, anjaby lavalava fano fanoitra. Ahitsio
Fanotoana: (toto) a: Fisoiran' ny omby (na biby hafa) amin'ny tandrony. Ahitsio
Fanotohoto: (hotohoto) a: Fomba entina mandrovitra. 1 p.t.: Fandrovitra, fandrotika. Ahitsio
Fanotohotoana: (hotohoto) a.: Fandrovitana, fandrotidrotehana. Ahitsio
Fanotorana: (tototra) a.: Famenoana tany lavaka iray. Ahitsio
Fanotórana: (totótra) a.: Fane-. tsiketsehana ny foly mba hampitovy tantana azy tsy misy madilana. Ahitsio
Fanototra: (tototra) a.: Fomba entina manototra, izany hoe mameno tany lavaka; mandelika. Ahitsio