Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanoroana: (toro) a,: Fanondroana; fampahafantarana, filazana. Ahitsio
Fanorohana: (oroka) a.: Fampitehefana ny molotra sy ny orona amin'ny tarehy na tanan'ny olona iray ho maripitiavana na fanajana. Ahitsio
Fanoroka: (oroka) a.: Fomba entina manoroka. • p. t.: A-zo orohana. Ahitsio
Fanorona: a.: Karazan-kilalaon-drazana malagasy fampiasan-tsaina atao eo amin' ny fafana izay vakivakin'ny tsipika mifa-^apatapaka ka amin'ny fiadian'ireny tsipika ireny no ametrahan'ny mpilalao roa tonta ny vatony mitovy isa; misy fanoron-telo, dfmy ary ny an-tsivy, izay te-na malaza ary fanaon'ny olon-dehibe indrindra. i Mifanorona, fifano• ron, mpifanorona. Ahitsio
Fanorosana: na Fanorotana (orotra) a.: Fanongotana, fandririsana amin'ny tanna, fanapahana amin'ny antsy. Ahitsio
Fanorotoro: (torotoro) a.: Fomba entina manorotoro, mamotipotika, ~ p.t.: Azo torotoroina. Ahitsio
Fanorotoroana: (torotoro) a.: Famakfana (zavatra) atao potipotika, fanamontsanana. Ahitsio
Fanorotra: (orotra) a,: Fomba entina manorotra, na manongotra, mandriry ravim-boangahazo,hazondandy... Ahitsio
Fanory: (sory) a.: Kivazivazy maharary. Ahitsio
Fanory: (sory) a.: Fomba entina manory, manorisory, mahatonga ho sosotra. Ahitsio
Fanosahana: (tosaka) a,: Fampitobahana; fanapahana. Ahitsio
Fanosaka: (tosaka) a.: Fomba entina manosaka, mampitobaka, na manapaka tarangana. Ahitsio
Fanosehana: (tosika) a.: Fandronjenana mba hivoaka amin'ny faritra iray nhamotraka,fandroahana. Ahitsio
Fanosehana: (tosika) a: Vy na varahina, miendrika kaoPY bitika kely, isisihan'ny fanondro ka entina manosika ny fanjaitra mba tsy hampaharary ny fanondro. ~ f, t.m.: Lanka; izay rehetra entina manosika ny sakafo. Ahitsio
Fanosena: (hosy) o,: Fanitsahana amin'ny tongotra; famakiana ny bainga amin'ny tanimbary mba hampahalemy azy ho azo amafazana na anetsan; fambaboan fananan'olona. Ahitsio
Fanosenana: a,: Fanafotetahana, fanavonana. Ahitsio
Fanosika: (tosika) a,: Fomba entina manosika. ~ p.t.: A-zo atosika. Ahitsio
Fanosina: (hosina) a.: Fomba entina manosina, na manafotetaka. Ahitsio
Fanosohana: (sosoka) a.: Fampidirana na fanisihana kofehy amin'ny fahan'ny lamba iray efa misy marambato mba hahamafy azy. Ahitsio
Fanosoka: (hosoko) a.: Fomba entina manosoka. Ahitsio