Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanorana: (torana) a.: Fomba entina manorana: Tsy mitovy ny fanorana ny marary hodidiana taloha sy ankehitriny, Ahitsio
Fanoranana: (orana) a.: Famotsiana, fandiovana (firava-bolamena, na volafotsy), Ahitsio
Fanoranana: (torana) a.: Fanaovana izay hahatorana, izany hoe tsy handrenesana maharary: Ny klaoraofaorma no fanoranana taloha. Ahitsio
Fanoranorana: (oranorana) a.: Fomba entina manoranorana, na mihinana mamosibosika sy manesokesoka. Ahitsio
Fanoranoranana: (oranorana) a.: Fihinanana mamosibosika sy manesokesoka. Ahitsio
Fanoratana: (soratra) a.: Fanaovana soratra: Efa mahay mamaky tsara it? zaza ity, fa eo amin'ny fanoratana no mbola votsa dia votsa. 1 Fandatsahana an-tsoratra: Etsy amin-dRamatoa etsy no fanoratana anarana. ? Famoronana lahatsoratra, boky: 0-lona kinga amin'ny fanoratana izy, ? Fampidirana amin' ny bokim-panjakana ny nanaovana ny sora-panambadiana: Tamin'ny alakamiay no natao ny fanoratana. Ahitsio
Fanoratra: (soratra) a,: Fomba entina manoratra. Ahitsio
Fanorena: (sory) a.: Fanaovana izay hahasosotra. Ahitsio
Fanorenana: (orina) a.: Fananganana, fampijoroana, fanatsatohana: Fanorenana trano fitsa boana. Ahitsio
Fanorihana: (tsorika) a.: Fikorianana manaraka ny rindrina na ny takolaka; fitsororohana. Ahitsio
Fanorika: (tsorika) a: Toetran' ny zavatra mikoriana: Ny fanoriky ny ranomasony nanaraka ny takolany no nampahonena ahy. Ahitsio
Fanorina: (orina) a.: Fomba entina manorina, na manangana, maml)ijoro. Ahitsio
Fanorirana: (horirana) o.: Fomba entina manorirana, izany hoe mandry ka ny rirana no atao mitehika ny tany. Ahitsio
Fanoriranana: (horirana) a. :Fametrahana zavatra na fipetrahana na fandehanana na fijerena tsy manatrika fa misompirana. Ahitsio
Fanorisorena: (sorisory) a : Fampahasosorana; fampahoriana. Ahitsio
Fanorisory: (sorisory) a.: Fomba entina manorisory, manao izay hahasosotra. Ahitsio
Fanoritana: (soritra) a.: Fanasiana tsipika atao fetra na fanavahana. Ahitsio
Fanoritra: (soritra) a.: Fomba entina manoritra, manisy tsipika mametra na manavaka. Ahitsio
Fanoro: a,: Zavamaniry fanao sesi-kidoro ny voniny ary fampandoavana ny raviny (Gomphocarpus Truc ticosus). Ahitsio
Fanoro: (toro) o.: Fomba entina manoro, 1 p. t.: Azo atoro. Ahitsio