Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanononkonona: (kononkonona) a.: Fomba entina manononkonona, na manafinafina. Ahitsio
Fanononkononana: (kononkonona) a.: Fanafinafenan (zavatra) any anaty akanjo, fanakontakonana. Ahitsio
Fanonorana: Fanonotana a,: Fanongorana vola. Ahitsio
Fanonotra: (onotra) a,: Fomba entina manonotra, manongotra volo. Ahitsio
Fanonta: (tonta) a,: Fomba entina manonta, na manao printy gazety na boky. *p. t.: Azo atonta. Ahitsio
Fanontana: (tonta) a.: Fanjerana: Fanontana kanonta. 1 Fanaovana printy boky na gazety: Trano fanontana boky. 1 Fampidirana anaty lasitra: Fanontam-biriky. / Fanontam-bola. Ahitsio
Fanontaniana: (ontany) a.: Fanaovana teny mila setriny na valiny: Nanao fanontaniana ilay mpandaha-teny fa tsy nisy namaly ny mpihaino. 1 Zavatra adinina amin'ny fanadinana: Fanontaniana efatra tamin'ny enina no voavaliny ka afaka izy. ~ Fakana am-bavany, famotopotorana: Naharitra adiny telo ny fanontaniana an 'Ray voampanga. Ahitsio
Fanontany: (ontany) a,: Fomba entina manontany. ? p. t.: Azo anontaniana. Ahitsio
Fanontona: (tontona) a.: Fomba entina manontona, manakapoka, manintsana. Ahitsio
Fanontonana: (tontona) a.: Fanakapohana, fanintsanana; fandonana amin-javatra; fanampiana. Ahitsio
Fanontsana: (hontsana) a.: Fomba enti-manontsana, na manasa ny atin-javatra amin' ny fanontsankontsanana rano ao anatiny. ~ p. t.: Azo hontsanana. Ahitsio
Fanontsanana: (hontsana) a,: Fanakorianan-drano ao anaty zavatra mba handiovana azy: Ilaina ny fanontsanana ny uaua fora faharatsiny isa-maraina. ? Fanafodin'aretim-bava izay tsy atelina fa akoriandriana ao anaty vava fotsiny: Mividiana fanontsanam-bava dia ampiasao fa ho sitrana ny aretim-bavanao, Ahitsio
Fanontsona: (hontsona) p. t.: A-zo hontsonina. ? a.: Fomba fane tsehana. Ahitsio
Fanontsonana: (hontsona) a.: Fanetsehana. Ahitsio
Fanony: a.: Ody atao fanafoanana ny asan'ny ody hafa. Ahitsio
Fanony: (tony) a, : Fomba entina manony, na mampitony, Ahitsio
Fanopazana: (topy) a.: Fandefasana, fanatodihana ny maso mba hijery kely miserana: Fanopaza-maso indray mandeha monja amin'ireto zaza fadiranovana ireto no angatahiko aminao, Ahitsio
Fanopy: (topy) a.: Fomba entina manopy, manatodika ny maso hijery kely miserana. Ahitsio
Fanorana: (orana) a: Fomba entina manorana, mamotsy, mandio (firavaka volamena na volafotsy). Ahitsio
Fanorana: (otra) a.: Fisafoana sy famoretana amin'ny ta-nana mba hampalefadefaka ny hozatra marary na vizana na mivonkina: Fanorana isan-kariva no nahafaka ilay henjankenJana tato amin'ny hatoko, Ahitsio