Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanondrokondrohana: (ondrokondroka) a.: Fihantsiana fandranitana ny filan'ny no-fo amin'ny fihetsika jefijefy. Ahitsio
Fanondrokondroka: (ondrokondroka) a.: Fomba fihantsiana fandranitana ny filan' ny nofo amin'ny fihetsika jefijefy. Ahitsio
Fanondrotana: (sondrotra) a.: Fampakarana na fanaingana ho ambony: Fanondrotana trano, / Fanondrotana karama. Ahitsio
Fanondrotra: (sondrotra) a.: Fomba entina manondrotra. ? p.t.: Azo asondrotra. Ahitsio
Fanonena: (tony) o.: Fanaketrahana; fampiononana: A-sain'ny olona misotro rano mangatsiaka kely ny olona tezitra mba ho fanonena ny fo. Ahitsio
Fanonerana: (onitra) a.: Famerenana, fanoloana. fanefana: Aza hadinoinao ny fanonerana ny zavatr'olona narianao. 1 Fampifandanjana ny azo amin'ny very: Tsy ampy ho fanonerana ny fatiantoko ny tombombarotra azo raha hamidiko latsaky ny roanjato ariary ny sezo tsirairaY. Ahitsio
Fanongahana: (ongaka) a: Fanesorana, fipaohana, fitondrana (zavatra maso). Ahitsio
Fanongaka: (ongaka) a.: Fomba entina manongaka, izany hoe manala, manesotra, mipaoka, mitondra zavatra betsaka. Ahitsio
Fanongana: (ongana) a.: Fomba entina manongana, izany hoe manjera, manesotra amin'ny raharaha, mampietry voninahitra. 1 p. t.: Azo aongana, tokony haongana: Fanongana ny lehibe tao/ mihevitra afa-tsy ny hameno paosy toy ireny. Ahitsio
Fanongana: (ongana) a.: Famoretana, fanaingana kely ny i.-lany, Ahitsio
Fanonganana: (ongana) a.: Fanjerana zavatra ka ny lohany no atao ambany; fanesorana, fampietrena olona amin'ny toerana ambony nisy azy. Ahitsio
Fanongika: (tongika) a.: Fomba entina manongika, izany hoe mitohy zavatra. 1 p.t.: Azo atongika. Ahitsio
Fanongilana: (tongilana) at Fomba entina manongilana, izany hoe mametraka tsy miarina marina tsara. Ahitsio
Fanongilanana: (tongilana) a.: Fampironana, fampiraikana, fametrahana tsy miarina marina tsara: Fanongilanan-tsofina. Ahitsio
Fanongo: (tsongo) a.: Fomba entina manongo, 1 p.t.: Azo tsongoina. Ahitsio
Fanongoa: (tongoa) a.: Fomba entina manongoa, manavosa. 1 p. t.: Azo avosa. Ahitsio
Fanongoana: (tsongo) a.: Fane-o rena amin'ny hohon-tanana roa. Ahitsio
Fanongoavana: (tongoa) a.: Fanavosana, fanavovonana, fanampiana, Ahitsio
Fanongona: (songona) a.: Fomba entina manongona, mihoatra ny hafa. 1 p, t.: Azo songonana. Ahitsio
Fanongonana: (songona) a.: Fihoarana ny hafa amin'ny fffaninanana: Ho nahazo ooalohany ny soaoaliko raha tsy ny fanongonan'ny soaoalinao. 1 Fisosohana hiteny ne-fa mbola misy miteny: Tsy tsora ny fanongonana ny olona izay miteny. 1 Fanomezana vidiny ambony kokoa no-ho ny hafa: Saika lasako ilay omby raha tsy ny fanongonan-dRabe ahy fa nanome ariary zato ambony izy, Ahitsio