Fanompo | : | (tompo) a.: Fomba entina manompo. / p. t.: Azo tompoina.
Ahitsio |
Fanompoana | : | (tompo) a.: Fanajana (olona) fatratra sy fanekena ny sitrap ony :Fanom-Poana an'Andriamanitra. 1 Fanaovana ny raharahan'olona toy ny mpikarama. 1 Raharaha an-tery ho an'ny mpanjaka fahiny. 1 Raharaha na asa heverina ho adidy tsy maintsY atao araka ny maha-mponina na maha-isam-bahoakan'ny firenena ny tena, nefa tsy andraisankarama. - F,-p,: Fanompoana andriana: asa iombonan'ny fokonolona izay matetika ateraky ny zava-dehibe mitranga tampotampoka toy ny fefiloha vaky, famonoana afo (na hain-trano na hain-tanety), famonoana valala...
Ahitsio |
Fanonahana | : | (honaka) a.: Fianjerana noho ny havizanana na ny hatavezana.
Ahitsio |
Fanonaka | : | (honaka) a.: Fomba fianjera noho ny havizanana na ny hatavezana.
Ahitsio |
Fanondana | : | (ondana) a: Fomba entina manondana na manohana amin'ny ondana.
Ahitsio |
Fanondanana | : | (ondana) a.: Fanohanana.
Ahitsio |
Fanondrahana | : | (tondraka) a.: Fampidirana rano amin'ny tany fambolena na fandrarahana rano amin'ny voly mba hampaniry azy.
Ahitsio |
Fanondraka | : | (tondraka) a.: Fomba entina manondraka, mampiditra rano amin'ny tany fambolena na mandraraka rano amin'ny voly mba hampaniry azy. 1 p.t.: Azo tondrahana.
Ahitsio |
Fanondrana | : | (ondrana) a.: Fomba na toetzan'ny olona manondrana, na mihetsika hadalana.
Ahitsio |
Fanondrana | : | (ondrana) a.: Fomba entina manondrana, na mandefa zavatra amin'ny lakana na sambo.
Ahitsio |
Fanondranana | : | (ondrana) a.: Fandefasana olona na zavatra hiampita amin'ny lakana na ny sambo.
Ahitsio |
Fanondranana | : | (ondrano) a.: Fahadaladalana, fihetsehan' ny hadaladalana.
Ahitsio |
FaƱondrane | : | (Ski) o.: Hazo fisaka araviravy eo ambanin' ny fitoerana amin'ny lakana mba hametrahana entama.
Ahitsio |
Fanondrehana | : | (ondrfka) a.: Fampileferana, fampironana, fampiraihana (ny loha).
Ahitsio |
Fanondrika | : | (ondrika)a.: Fomba entina manondrika, na mampilefitra, mampirona, mampiraika (ny loha).
Ahitsio |
Fanondritana | : | (tondritra) a.: Fanatodihana; fanolahana; fitanana zaza eo anelakelaky ny lohalika roa mba hivalanany tsara: ankinina amin' ny traira ny lohany ary somary aingaina kely ny tongony.
Ahitsio |
Fanondritra | : | (tondritra) a.: Fomba entina manondritra.
Ahitsio |
Fanondro | : | (tondro) a.: Fomba entina manondro, manoro amin'ny tanana. / Ny rantsantanana manarakaraka ny ankibe: Iza cira no lava, ny fanondro sa ny manarapoana? 1 p. t.: Azo tondroina: Tay mba fanondro ny fasana, hoy ny Ntaolo.
Ahitsio |
Fanondroadala | : | a.: Rantsantanana afovoany, izany hoe fahatelo avy eo amin'ny ankibe na avy amin'ny ankikely.
Ahitsio |
Fanondroana | : | (tondro) a,: Fanambarana zavatra na ny misy azy amin'ny rantsantanana; fanoroana, filazana: Ny fanondroan-dRakoto an'ireo iray tetika taminy no nampihena ny saziny.
Ahitsio |