Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanombohana: (tomboka) a.: Fanasiana marika amin'ny vy mahamay, fitetehana: Didian'ny fanjakana ve ny fanombohana ny omby? Ahitsio
Fanombohana: (tomboka) a.: Fanaovana ny fiandohan-Javatra iray, fanaovana voalohany: Anio no fanombohana ny osa tanimbary. ? Fiandohana: Misy olona maty eo amin'ny fanombohan'ny tan-tara. Ahitsio
Fanomboka: (tomboka) a.: Fomba entina manomboka zavatra: Na inona na inona atao, amin-kafaliana no fanomboka azy lalandaua. ? Fomba na toetran'ny zavatra manomboka: Mampitaintaina ny fanomboky ny tantara. ? p.t.: Azo atomboka. Ahitsio
Fanomboka: (tomboka) a.: Fomba entina manomboka. * p.t: Azo tombohana: Tsy mba fanomboka ny alika, Ahitsio
Fanombotana: (ombotra) a,: Fanongorana. Ahitsio
Fanombotombohana: (tombotomboka) a.: Fiampangana olona amin'ny zavatra tsy nataony, fanendrikendrehana, fitorotorohana. Ahitsio
Fanombotomboka: (tomboka) a.: Fomba entina manombotomboka, izany hoe miampanga olona tsy misy antony amin'ny zavatra tsy nataony, manendrikendrika. Ahitsio
Fanombotra: (ombotra) a.: Fomba entina manombotra, na manongotra. ? p.t: Azo ombotana. Ahitsio
Fanome: (ome) a.: Fomba entina manome: Toy izao no fa-nome fahatsiarovana ? p. t.: Azo omena matetika: Ity fanafody it? no fanome ny zazakely. Ahitsio
Fanomezana: (orne) a.: Fahafoizana: Misy fanomezan-dra eny amin'ny hopitaly anio. ? Zavatra omena: Sarobidy it9 fanomezana nataonareo ity' fa misaotra indrindra. Ahitsio
Fanominda: (sominda) a,: Fomba entina man ominda na mandidy ny tendan'ny omby. Ahitsio
Fanomindana: (sominda) a.: Fanapahan-tenda. Ahitsio
Fanomokomohana: (homoka) o.: Fitsakoana zavatra tsy misoka-bava akory. Ahitsio
Fanomokomoka: (homoka) a,: Fomba fitsakoana zavatra nefa tsy misoka-bava, Ahitsio
Fanompa: (ompa) o.: Fomba entina manompa. ? p.t.: A-zo ompana. Ahitsio
Fanompana: (ompa) o.: Fanozonana, faniriana ratsy ho an'olona: Tsy raharahako izoy fonomponao; tsy hahavoa ahy izany, ? Fanalikalikana, fanaovana vava ratsy: Tsy lefitro izany fanompanao izany ka hitory aho. Ahitsio
Fanompana: (ompana) a.: Fomba entina manompana, izany hoe mampiraikitra, mampiankina. Ahitsio
Fanompanana: (ompana) a,: Fandraiketana, fanankinana. Ahitsio
Fanompirana: (sompirana) a.: Fomba entina manompirana, izany hoe mandidy na manapaka tsy mahitsy fa mivilana. Ahitsio
Fanompiranana: (sompirana) a.: Fanaovana (zavatra) na fipetraka na fijerena... tsy mahitsy fa mivilana; fiolahana; fisafelehana. Ahitsio