Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanoloanana: (oloana) a.: Asa ataon'ny teny hoe manoloana; fanatrehana: Misy Ianjany iehibe ny fanoloanana arnin'ny zavatra maro. Ahitsio
Fanolokoloana: Fanakolokoloana (kolokolo) a.: Fikarakarana, fikajakajana, fanaovana izay hahasoa: Ankiniko aminao ny fanolokoloana ireto zozo fretta. Ahitsio
Fanolorana: (olotra) a.: Fanakaikezana, fifanakaikezana: Ny fanoloran'ny tranonay roa lahy no nahatonga anay ho mpinamana. Ahitsio
Fanolorana: (tolotra) a.: Fandrosoana ny tanana manome zavatra olona: Ataovy amimpanalana ny fanolorana ny boky an'ny mpampianatra, fa aza atsipy fotsiny, ? Fanomezana (zavatra): Tsy hohadinoin'ny firenena ny fanolorany ny ainy ho an'ny tanindrazana. Ahitsio
Fanolotra: (tolotra) a.: Fomba entina manolotra: Samy hafa ny fanolotra voninkazo sy ny fanolotra sigara. ? p.t.: Azo atolotra. Ahitsio
Fanolotra: a.: Fomba na toetran'ny zavatra manakaiky zavatra hafa. Ahitsio
Fanolotsolorana: (tsolotra) a.: Fandrosoana loatra ny tanana (rehefa milalao kanety); fandrosoana kely dia fampihemorana miverimberina ny tanana. Ahitsio
Fanomanana: (omana) a.: Fanaovana vonona mialoha izay ilaina amin'ny fanatanterahana zavatra iray. Ahitsio
Fanomba: (omba) a,: Fomba entina manomba, na misakobona amin'ny lamba na zavatra hala. Ahitsio
Fanombana: (omba) a.: Fandrakofana, fisakobonana amin'ny lamba na zavatra ha-fa, fiarovana amin'ny hatsiaka na ny rivotra. Ahitsio
Fanombana: (tombana) a.: Fomba entina manombana; toetran'ny orana manombana. Ahitsio
Fanombanana: (tombana) a,: Fanondrotana vidin-javatra ambony mba hahazoana tombony, na dia efa andatsahana aza eo amin'ny ady varotra; faminavinàna; fanaovana ho zavatra. Ahitsio
Fanombenana: (tombina) o.: Fametrahana zavatra na olona ka atao izay hahazoany toerana tsars. Ahitsio
Fanombihana: (ombika) a.: Fandidiana sombiny kely: Fanom bihan-kena. Ahitsio
Fanombika: (ombika) a.: Fomba entina manombika na mandidy sombiny kely. Ahitsio
Fanombina: (sombina) a.: Fomba entina manombina; maka sombiny na potiny na ilany kely. Ahitsio
Fanombinana: (sombina) a.: Fakana, fanalana ilany na sombiny na potiny kely. Ahitsio
Fanombo: na Fiombo (tombo) a.: Toetran'ny aretina mihamafy; fitombon'ny aretina. Ahitsio
Fanomboana: (tombo) a.: Fihamafisan'ny aretina. Ahitsio
Fanomboana: (hombo) a.: Fanasiana zarany: Fanomboana angody. Ahitsio