Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanokanana: (tokana) a.: Fanavahana olona na zavatra iray mba tsy hifangaro amin'ny hala; fitehirizana: Aza hadinoinao ny fanokanana sakafo kely ho an'ny zandrinao nirery rano any an-tsaha. ? Fampiasana: Fanokanana ny andro amin'ny osa fitiava-namana. Ahitsio
Fanokatra: (sokatra) a,: Fomba entina manokatra. ? p.t.: A-zo sokafana: Tsy fanokatra ny taratasin'olona. Ahitsio
Fanoko: (toko) a.: Fomba entina manoko, na mametraka isan-tokony avy. ? p.t.: Azo atoko. Ahitsio
Fanokoana: (toko) a,: Fanatsinjarazarana zavatra ho toko maro. ? Fandaharana vatom-panorona. ?'Fipetrahana mitakoko toa manjoretra. Ahitsio
Fanokona: (tokona) a.: Fomba entina manokona, na manomana ny zavatra rehetra ilaina (vilany, rano, vary...) amin'ny fandrahoana. Ahitsio
Fanokonana: (tokona) a,: Fikarakarana ny sakafo handrahoina, fametrahana azy eo ambony toko. Ahitsio
Fanolahana: (tolaka) a,: Fanodinana (ny varavarana amin' ny lahin-tsaviliny); familiana, famindrana, fanilihana. Ahitsio
Fanolahy: (Btm) a.: Soka-dranomasina. Ahitsio
Fanolaka: (tolaka) a.: Fomba entina manolaka na mamily, mamindra, manilika amin'nY hala. Ahitsio
Fanolana: (olana) a.: Fomba entina manolana, na mampifadiditra. Ahitsio
Fanolanana: (olana) a.: Fanodinan-javatra, ny ilany miankavia, ny ilany miankavanana; famoretana. Ahitsio
Fanolatra: a: Toetran'ny zavatra manolatra, izany hoe manjary misy holatra. Ahitsio
Fanolehana: a.: Anaran-kazo izay tenehina ny raviny ka ampisotroina ny amboa hihaza (fahafolo amin'ilay fitanisan-javamanfry mahasoa, fanaon'ny Ntaolo nampianarany ny zaza hanisa: Isa ny amontana, roa ny aviavy... folo fanolehana). Ahitsio
Fanolehana: (olika) a.: Fanaovana izay hahatonga mivilivily, misafelipelika. Ahitsio
Fanolika: (olika) a.: Fomba entina manolika, mamily. Ahitsio
Fanolikolena: (kolikoly) a.: Fanambatambazana tafahoatra, fanangolena, fanomezana vo-la na zavatra mba hanambatambazana olona hanao zavatra tsy aradalàna. Ahitsio
Fanolikoly: (kolikoly) a.: Fomba entina manolikoly. ? p. t.: Azo kolikolena: Tandremo fa ireny tsy mba olonafanolikoly. Ahitsio
Fanolo: (solo) a.: Fomba endna manolo, manova. ? p.t.: Azo soloana. Ahitsio
Fanoloana: (solo) a,: Fanovana hala: Tay azo atao angaha ny fanoloana mpilalao mandritra ny lalao? ? Fanonerana: Ahitsio
Fanoloana: (oloana) a,: Izay olona eo anoloana. Ahitsio