Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fankafizana: (fy) a.: Fankamamiana, fitiavana. Ahitsio
Fankahala: (hala) p.t.:Ny olona ' na ny zavatra ankahalaina: Ny ratsy no fankahala, fa tsy ny tsara. ~ a.: Fomba tsy itiavana: Mandositra ny ratsy no fankahala azy tsara indrindra. Ahitsio
Fankahalana: (hala) a.: Tsy fitiavana mainty, fahalianana ta hamaly faty, fanaovana hala volo. Ahitsio
Fankaherezana: (hery) a.: Fanomezana hery: Ny sakramentan'ny fankaherezana. ~ Famporisihana: Fankaherezana ho ahy izany teny mamy ataonao izany, Ahitsio
Fankahia: (hia) a,: Fomba entina hankahia. Ahitsio
Fankahiazana: (hia) a.: Asa a-tao mba hankahia. Ahitsio
Fankamamiana: (homy)a.:Fankasitrahana: Mahafinaritra ahy izao fankamamianareo ny soa kely nataoko teto. 1 Fitiavana, firaiketam-po: Ny fankamamiana ny fihavanana. Ahitsio
Fankamamy: (hamy) a.: Fomba entina mankamamy, Ahitsio
Fankarariana: (rary) a.: Fanaovana izay tsy hahasalama. Ahitsio
Fankasiahana: (siaka) a.: Fanaovana izay hahatonga hasiaka: Tandremo ny fonkasiahana an'io aiika io fa manaikitra io. Ahitsio
Fankasiaka: (siaka) a.: Fomba entina mankasiaka. Ahitsio
Fankasitrahana: (sitraka) a.: Fampisehoana fahafaham-po noho ny asa vita: Nahazo fankasitrahana tamin'ny lehibeny Rakoto ka faly aoka izany. ~ Fanehoana fihetseham-po mitory hafaliana sy fitiavana noho ny soa noraisina tamin'olona: Tsy tokony hisy fetra ny fankasitrahan'ny zanaka ny ray amandreny. ~ Fankatoavana, fankamamiana: Tsy hita holazaina ny fankasitrahan'ny be sy ny maro ny lahateninao, Ahitsio
Fankatavezana: (tavy) a.: Fanaovana izay hahatonga matavy. Ahitsio
Fankatavy: (tavy) a.: Fomba entina mankatavy. 1 p. t.: A-zo hatavezina. Ahitsio
Fankatelemana: (telina) a,: Fankasitrahana, fisaorana amim-Pahafahamdro, Ahitsio
Fankatoavana: (to) a,: Fanekena an-tsitrapo fa tsara sy mety: Fankatoauana ny fanambadianao no nanomezandrainao anao io sary io. • Fanekena: Fankatoauana ny tenin-dray aman-dreny. Ahitsio
Fankatrarana: (tratro) a.: Fahazoana na fahatratsaran'ny olona iray ny vadiny miray amin'olon-kafa. Ahitsio
Fankatratra: (traira) a,: Fomba entina mankatratra. Ahitsio
Fano: a.: Anaran-kazo. Ahitsio
Fano: a: Votrovotro madinika mitranga amin'ny hoditra vokatry ny hafanana. - F.-p.: Miuoa-pano: mivoaka votrovotro madinika io ny tena (fiteny indrindra amin'ny zazakely). Ahitsio