Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanjohiana: (zohy) a.: Fanarahana, fombàna; fanenjehana, fanjokoana. Ahitsio
Fanjohy: (zohy) a.: Fomba entina maniohy; fomban'ny olona manjohy, manaraka avy eo aoriana. Ahitsio
Fanjoko: (joko) a.: Fomban'ny olona manjoko, miondrika sy mivokobokoka rehefa mandeha: Mampahonena fa tsy tokony hampihomehy ny fanjokon'ny olona be taon. Ahitsio
Fanjokoana: (joko) a.: Fiondrikondrehana sy fivokobokohana rehefa mandeha. Ahitsio
Fanjola: (njola) a.: Fomba entina manjola; fomba na toetran'ny olona;nanjola, izany hoe mijery mihorirana ila ny masony. Ahitsio
Fanjolàna: (njola) a,: Fijerena vilana, fijerena sompirana. Ahitsio
Fanjolohana: (joloka) a,: Fampidirana, fanatsofohana ny loha na ny tanana amin'ny lavaka iray. Ahitsio
Fanjoloka: (joloka) a.: Fomba entina manjoloka na mampiditra, manatsofoka amin'ny loaka iray ny loha na ny tanana. Ahitsio
Fanjombona: (jombona) a.: Toetran'ny lanitra na ny tarehy manjombona, izany hoe malomaloka toa ho avy orana na malahelo. Ahitsio
Fanjona: a.: Mitovy amin'ny fantsona. Ahitsio
Fanjongiana: (jongy) a.: Fanasiana zaitra amin'ny sisindamba. Ahitsio
Fanjongy: (jongy) a.: Fomba entina manjongy na manisy zaitra amin'ny sisfn-damba. ? p. t.: Azo asiana jongy. Ahitsio
Fanjoniana: (jony) a.: Fandosirana ny olona iasana na ny havana. Ahitsio
Fanjonitra: (jonitra) a.: Fomba na toetran'ny olona manjonitra, mitoretra malahelo. Ahitsio
Fanjonjonana: a.: Ody mba hahaizana mikendry zavatra tsara amin'ny bala, hahaizana mitifitra. Ahitsio
Fanjono: (jono) a.: Fomba entina manjono. ? p. t.: Azo jonoina: Moa oe misy trondro tsy fanjono! Ahitsio
Fanjonoana: (jono) a.: Fakana hazandrano amin'ny fintana. ? H.o,: Fanangolena, fanojikojena: Teny malefaka no fanjonoan'ny mpamitaka ny olona tiany hofitahina. Ahitsio
Fanjony: (jony) a.: Fomba entina manjony na mandositra ny olona iasana na ny havana. Ahitsio
Fanjopelaka: na Fanjopelana na ~anjopiaka (jopelaka, jopelana, jopiaka) a.: Famirapiratana mamono maso toa tsy azo jerena, fahajambena. Ahitsio
Fanjozoro: na Fonjozoro a.: Ny atin'ny zozoro izay ampiasaina atao sesi-javatra na famaohana. Ahitsio