Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanjehy: (zehy) a.: Fomba entina manjehy, mandrefy amin'ny zehy. 1 p, t.: Azo zehena: Omby mitsanyana tsy fanjehy, Ahitsio
Fanjelatra: (jelatra) ai Fomba na toetran'ny zavatra man-data hazavana mitsoriaka toa tselatr'afo: Nanaitra ny fanjelatr'ilay tainkintano nianjera tamin'ny taona 1977. Ahitsio
Fanjenjena: na Fizenjena (zen-fana) a.: Fomba na toetran' ny olona manjenjena na mizenjena, izany hoe mandehandeha tsy misy antony. Ahitsio
Fanjenjenana: na Fizenjenana (zenjena) o,: Fandehandehanana tsy misy antony, fandehandehanana ets? sy er?, firenirenena: Mampalahelo ny fonjenjenan'ny zozo tsy miss mpiahy. Ahitsio
Fanjenjina: (jenjina) a.: Fomba entina manjenjina na manao izay hahafanina. Ahitsio
Fanjepizepy: (zepizepy) a.: Toetran'ny rano manjepijepy, feno morona: Nahafinaritra ny mijery ny fanjepizepin'ny rano teo amin'ny farihy ilay takariva mena masoandro in y. Ahitsio
Fanjera: (zera) a: Fomba entina maniera, mandavo, mandaboka 1 p. t.: Azo azera. Ahitsio
Fanjerana: (zera) a,: Fandavoana, fanadabohana, famotrahana, famarinana. Ahitsio
Fanjerizery: na Fizerizery (zerizery) a,: Toetran'ny zavatra manjerizery na mizerizery, miharihary. Ahitsio
Fanjevo: na Fanjevozevoana (zevo) o.: Fomba entina manjevozevo na mampifangaroharo. Ahitsio
Fanjevoana: (zevo) a.: Fampifangaroana. Ahitsio
Fanjezehana: (zezika) a.: Fandarofana, fanovokovohana. Ahitsio
Fanjezika: (zezika) a.: Fomba entina manjezika, mandaroka, manovokovoka. Ahitsio
Fanjihitra: o.: Fanditra sy fifamaliana, ady vava, ady antsanga. - t.i.f, : Mifanjihitra, fifanjihitra, mpifanjihitra j ifanji. hirana, fifanjihirana. Ahitsio
Fanjilarana: (jilatra) a: Fiendahan'ny nofo noho ny fikapana na fandidiana tsy nitsatoka tsara fa nisolifatra somaradimbana. Ahitsio
Fanjilatra: (jilatra) o.: Fomba na toetran'ny nofo nanjilatra na niendaka noho ny fandidiana na fikapana nisolifatra. Ahitsio
Fanjinga: (zinQa) a: Fomba entina manovo amin'ny zinga. 1 p. t, : Azo zingaina. Ahitsio
Fanjingana:(zinga) a.: Fanovozana amin'ny zinga. Ahitsio
Fanjofo: (lofo) a: Fomba entina manjofo mikapoka, mamely, / Fomba na toetran' ny olona na zavatra manjofo, mandroso tsisy tahotra, miantsambotra midodododo. Ahitsio
Fanjofoana: (jofo) a: Fandrosoana tsisy tahotra, fandrosoana miantsambotra midodododo. Ahitsio