Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanjakana: (jaka) a.: Fanolorana jaka, dia ilay nofon-kena masaka nialin-taona ifanomezana raha fandroana ho mari-pihavanana. Ahitsio
Fanjakana: (zaka) a.: Fitondrana manana ny fanapahana ambony indrindra amin'ny tany iray; fifehezana, fandidiana, fanapahana: Nandroso izaitsizy ny teto Imerina ta min'ny fanjakan'Andrianampoinimerina. / Didim-panjakana izany ka tsy azo lavina. ? Ny tany entina na fehezin' ny mpitondra iray: Nanitatra tsy hita velively ny fanjakany io mpitondra io. / Fizakana: Nisy fotoana tamin'ny tan taran ' izao tontolo izao nisian'ny atao hoe fanjakandehilahy. - F,-p.: Fanjakan'i Baroa' fanjakana entina mpitondra rainazy ka samy manao izay tiany ny vahoaka. ¶ M.h.: fanjakana raban-tsahona. / Fanjakana baranahiny: fanjakana entina mpitondra tsy miraharaha na inona na inona, tsy miahy ny vahoakany. Ahitsio
Fanjambana: (lamina) a.: Ody misakana ny maso tsy habita. 1 H.i.: Zavatra toa manakana ny saina tsy hahalala; fandraikiraikena. Ahitsio
Fanjambena: (jambena) a.: Havizanan'ny maso izay mab.atonga azy mila tsy habita. M. h. : Fandrendrirendry, firendrirendry. Ahitsio
Fanjàna: a.: Fifanilahana amin' ny asa atao na fanaovana adidy. - t.i.f: Mifanjana, fifanjana, mpifanjana j ifanjanana, fifanjanana. Ahitsio
Fanjanahana: (zanaka) a.: Fananganana ho zanaka. / Fakana na fisamborana vola misy zanany, fananàna. - F,-p,: Fanjonahan-tany: fakana tanin'olona ho fananan'ny tena na ho eo ambany fahefan'ny tena tsy aratsitrapony. / Fanjanahantsaina: fanandevozana ny saina izay tsy avala hanana ny fahaleovan-tenany fa entina amin'izay itiavana azy ary ampidirana izay tiana hampidirina ao aminy, Ahitsio
Fanjanaka: (zanaka) a.: Fomba entina manjanaka na manangana ho zanaka; fomba entina manàna. 1 p.t.: Azo zanahina. Ahitsio
Fanjanjana: (janjana) a.: Fomba entina manjanjana, marnely, mandaroka mafy. Ahitsio
Fanjanjanana: (janjana) a.: Famelezana mafy. / Fanaovana zavatra maty paika, fanapahan-kevitra hentitra tsara. Ahitsio
Fanjariana: (zary) a.: Fahatongavana, fiovana ho: Ny fanjarian'ny sakafo hanintsika ho ra. Ahitsio
Fanjary: (zary) a.: Fomba na toetran'ny zavatra manjarY, na vanona, mahomby tsars. Ahitsio
Fanjato: (zato) a.: Fomba entina mizara zato. 1 p. t.: Azo zatoina na zarafna zato. Ahitsio
Fanjatoana: (zato) a: Anarana ilazana ny hatotanana fasiana haba na tsimikatona. Ahitsio
Fanjatoana: (zato) a,: Fizarana zato, Ahitsio
Fanjava: (fit.-p,) a.: Vola na volana. Ahitsio
Fanjavona: (zavona) a.: Fomba na toetran'ny zavatra manjavona (rakotry ny zavona na tsy dia hita mazava tsara, na tsy hita foana tao). Ahitsio
Fanjavonana: (zavona) a: Fotoana fisian'ny zavona; fisian'ny zavona: Anisan'ny tokony hampitandrina ny mpitondra fiara ny fanjavonana. 1 Fandosirana na tsy fahitana olona na zavatra foana eo: Zava-mahatalanjona ahy ny fanjavonan'ny bokiko teto ambony latabatra. Ahitsio
Fanjavozavo: (zavozavo) a.: Toetran'ny zavatra manjavozavo, tsy mazava tsara: Tsy afaka handeha maraina ianareo noho ny fanjavozavon' ny andro amin'izao ririnina izao, Ahitsio
Fanjavozavoana: (zavozavo) o,: Fahamaizimaizinana, tsy fahitana tsara. Ahitsio
Fanjehena: (zehy) a,: Fandrefesana amin'ny zehy,l H.o.: Famaritana, faminavinana, famerana: Fadio, hoy ny Ntaolo, ny fanjehena ny andro ho lava. Ahitsio