Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanivaiva: (ivaiva) a: Fomba entina manivaiva, manambany. / p, t.: Azo ivaivaina, ambanina. Ahitsio
Fanivaivana: (iva) o.: Fanambaniana, fanatsizarizariana, fanimbazimbana. Ahitsio
Fanivaka:f+an+ivaka, fototeny: ivaka. Teny iantsoana ny moto "scooter" (fr/eng). Nosafidiana izany teny izany noho izy azo entina manivaka any anelanelan'ny fiarakodia. ohatra: Andao isika handeha fanivaka mba tsy ho tratry ny fitohanan'ny fiara eo Besarety sy Ankadifotsy. Ahitsio
Fanivakivahana: (ivakivaka) a.: Fandalovana eo afovoany, fanositosehana; fandavoana, famotrahana olona rehefa mandala, Ahitsio
Fanivakivaka: (ivakivaka) a.: Fomba entina manivakivaka, mandalo eo afovoany. Ahitsio
Fanivoana: (ivo) a.: Fomba entina manivoana, mandalo eo anelanelany, eo afovoany. Ahitsio
Fanivoanana: (ivo) a.: Fandalovana eo anelanelany, eo afovoany. Ahitsio
Fanivohana: (hiuoka) a.: Fifanongoavana, famenoana olona (ny trano). Ahitsio
Fanivoho: (ivoho) a.: Fomban' ny olona manivoho, mipetraka eo ivoho; fomba entina manivoho na mamely eo ivoho. Ahitsio
Fanivohoana: (ivoho) a.: Fipetrahana ao an-damosina na famelezana avy ao an-damosina. Ahitsio
Fanivoka: (hivoka) a.: Fomba entina manivoka, mampifanongoa. Ahitsio
Fanizakiza: (kizakiza) a.: Fomba entina manizakiza, manivaiva, mamingavinga. Ahitsio
Fanizakizana: (kizakiza) a.: Fanivaivana, famingavingana, fanazimbana. Ahitsio
Fanizina: (izina) a.: Fomba entina manizina, manamaizina, 1 p. t.: Azo izinina, hamaizinina, fanitrika ao anaty haizina. Ahitsio
Fanizinana: (izina) a.: Fampanjombonana, fanamaizinana. Ahitsio
Fanizinana: (hizina) a.: Fandentehana; famoretana; fanidiana. Ahitsio
Fanja: a.: Karazam-bonfny izay tonga voankazo. Mamony fanja: enti-milaza ny zavamaniry sasantsanY, toy ny tsaramaso na ny paiso rehefa mamony. Ahitsio
Fanjairana: (zaitra) a.: Fampikambanana lamba amin'ny kofehy mba ho tonga akanjo. Ahitsio
Fanjaitra: (zaitra) a.: Fomba entina maniaitra: Tsy tiako ny fanjaitran-dRakoto palitao, 1 p, t.: Azo zairina: Ny baoritra tsy mba fanjaitra. 1 a.: Fiasana vy lavalava kely marani-doha misy loaka ny vodiny tuba hidiran'ny kofehy: Akao fanjaitra hanjairana it? akanjonao tata-fait-rra a F.-p.: Kofehy manara-Panjaitra: enti-milaza olona manaraka ambokony fotsiny ny ataon'ny hafa. ( Fanjai-drovi-body: zavatra tsisY antony. M.h.: Filo, tsaika, tsiverianala. Ahitsio
Fanjaka: (jaka) a.: Fomba entina manolotra jaka. 1 p, t.: A-zo omena na tokony homenajaka, Ahitsio