Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanisinana: (isina) a.: Fandefasana fofon'aina hivoaka any an'orona mba hivoahan'ny lelo. ? Fanesorana ny Iohan' ny lahinjiro efa tonga lavenona fotsifotsy. Ahitsio
Fanisirana: (isitra) a.: Fandavana ny hadisoana nataon'ny tena amin'ny fanolahana azy amin'ny hafa. Ahitsio
Fanisitra: (isitra) a.: Fomba entina manisitra na manda ny hadisoana nataon'ny tena amin'ny fanolahana azy amin' ny hafa. Ahitsio
Fanisy: (isy) a.: Fomba entina manisy , mamely. ? p. t.: Azo asiana, velesina: Tsy fanisy sira betsaka it? laoka it9. / Fanisy tehamaina ny zozo mp9maliuoly. Ahitsio
Fanitarana: (itatra) a.: Fanalehibeazana, fanalalahana; fampitomboana (na habe na habetsahana): Fanitarona ny tanimboty. ? Fampitomboana habe, fanabeazam-boho: Fonitarana ny fanjakan'Andriamanitra. 1 Fampitomboana filaza: Aza dia be fanitarana loatra ianao rehefa mitantara, Ahitsio
Fanitatra: (itatra) a.: Fomba entina manitatra, mampitombo (habe, filazan-javatra) ? p, t.: Azo itarina. Ahitsio
Fanitia: (Ski) a.: Hazo apetaka eo amin'ny nonon'ny lakana mba hitsatohan'ny salazany. Ahitsio
Fanitikitihana: (kitikitika) a.: Fikasikasihana mba hampihomehy, fanakibokiboana. Ahitsio
Fanitikitika: (kitikitika) a.: Fomba entina manitik.itika, manibokibo. Ahitsio
Fanito: (ito) a.: Fomba entina manito, manapaka. ~ p. t.: Azo tapahina. Ahitsio
Fanitoana: (ito) o.: Fanapahana. Ahitsio
Fanitrihana: ny maty alevina. Ahitsio
Fanitrihana: Fanasitrihana (sitrika) a.: Fandentehana any anaty rano: Tsy mora ny fanitrihana alika ao anaty rano. •Fanafenana: Ato no fanitrihan-dry zalahy ny boky tsy tiany ho hita, 1 Fandevenana, fampidinana na fametrahana ao anaty fasana: A-min'ny telo ny fanitrihana ny razana. Ahitsio
Fanitrika: Fanasitrika (sitrika) a.: Fomba entina manitrika, mandentika, manafina, man-devina. Ahitsio
Fanitrikitrihana: (hitrikitrika) a.: Fandentehana, famelivelezana: Tsy ho hadinoko ny fanitrikitrihana nataony ahy izay. Ahitsio
Fanitrikitrika: (hitrikitrika) a.: Fomba fandentika. / p. t.: Azo alentika. Ahitsio
Fanitsahana: (hitsaka) a.: Fanosena, fanaovana tsinontsinona. Ahitsio
Fanitsaka: (hitsaka) a.: Fomba entina manitsaka, manosy, manao tsinontsinona. 1 p. t.: Azo hitsahina. Ahitsio
fanitsiana:Fanomezana ny valiny marina na izay vontoaty marina. Antsoina koa hoe fanitsiana ny fanovĂ na ny vontoatin'ny zava-boalaza ao amin'ny andininy na andalana na famelabelarana ny antonantony ao amin'ny rijan-teny iray. Ahitsio
Fanitso: a.: Karazana metaly fanafoana trano na anaovana siny... Ahitsio