Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanirana: (ira) a: Fandaminana ny landy voafoly ho amin'ny fantaka. Ahitsio
Faniratsira: (tsiratsira) a,: Fomba entina maniratsira, tsy manaja, manivaiva, manevateva ? p. t.: Azo tsiratsiraina, tevatevaina. Ahitsio
Faniratsirana: (tsiratsira) a.:Fanaovana tsinontsinona, fanesoana, famotsifotsiana, fanevatevana: Tsy tantiko ny faniratsirana an'i dada toy ireny nataonao ireny. Ahitsio
Faniriana: (tsiry) a.: Fitsmohana, fitomboana: Amin'ny lohataona no fanirian'ny ahitra. Ahitsio
Faniriana: (iry) a.: Fitadiavana hahazo na hanana, fitsitsiritana: Tonteraka ny faniriako! Ahitsio
Fanirikirizana: (kiry) a.: Fanorisorenana. Ahitsio
Fanirikiry: (kiry) a.: Fomba entina manirikiry, manorisory izaitsizy. Ahitsio
Faniritana: (iritra) a.: Fandevenana amin'ny fasana vonjy maika. Ahitsio
Faniritra: (iritra) a.: Fomba entina manitrika ao anaty rano, mandevina, amin'ny fa-sana vonjy maika. 1 p. t.: A-zo alevina amin'ny fasana vonjy maika Ahitsio
Faniry: (iry) a.: Fomba entina maniry. 1 p. t.: Azo irina. Ahitsio
Faniry: (tsiry) o.: Fomba na toetran'ny zavatra maniry: Tsara faniry it? taho-mangahazo Ahitsio
Fanisa: (isa) a.: Fomba entimanisa. 1 p.t.: Azo isaina: Tsy fanisa itony voan-javatra itony. Ahitsio
Fanisa: (sisa) a.: Fomba entina manisa na mamela sisa. • p. t.: Azo asisa, azo amelana si-sa: Ny hanina toy itony tsy mba fonisa, hoy ilay sana ira. Ahitsio
Fanisana: (isa) a.: Fijerena ny isan-javatra na isan' olona. Ahitsio
Fanisana: (sisa) a.: Famelana sisa; fanokanana; fitahirizana. Ahitsio
Fanisarana: (hisatra) a.: Fanosehana, fanakisahana, fanakorisana tsikelikely. Ahitsio
Fanisatra: (hisatra) a,: Fomba entina manisatra, fomba fanosika. Ahitsio
Fanisihana: (sisika) a.: Fampidirana, fanosohana, fanampiana. 1 H.o.: Fanomezana olona zavatra na vola hanangolena azy. Ahitsio
Fanisika: (sisika) a.: Fomba entina manisika. 1 p.t.: Azo asisika. Ahitsio
Fanisina: (isina) a.: Fomba entina manisin-delo: Hafahafa ny fanisin'io zozo io. Ahitsio