Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Faninefany: (efatra) p.mt.: Famerenana asa iray hatramin' ny inefatra: Faninefany izao no nahozoako loko: mba itsikian'ny uintana mihitay a-ho Ahitsio
Fanineniny: (enina) p.mt.: Famerenana asa iray hatramin' ny inenina: Fanineniny no niverenako teo nefa tsy nahita azy aho. Ahitsio
Faningana: (singana) a.: Fomba entina maningana, manavaka. • p. t.: Azo singanina. Ahitsio
Faninganana: (singana) a.: Fanavahana: Tsy tiako ny faningananao ny zanako amin' ny be sy ny maro fa aoka izy hiaraka amin'ny mpianatra rehetra. ~ Tsy fanaovana ohatra ny be sy ny maro, fiavahana; tsy fitovizana amin' ny rehetra: Mahasosotra ny faninganan-dRangahy io amin'ny be sy ny maro. Ahitsio
Faningina: (tsingina) a.: Fomba entina maningina, mametaka firaka mahamay amin' ny vifotsy iray mba hampiraikitra azy amin'ny vifotsy hafa. 1 p. t.: Azo tsinginina. Ahitsio
Faninginana: (tsingina) a.: Fametahana firaka mahamaY amin'ny vifotsy iray mba hampiraikitra na hampitohy azy amin'ny vifotsY hafa. Ahitsio
Faniniana: (tsiny) a.: Fanomezan-tsiny, filazana ho diso; fanakianana, fandidiana. Ahitsio
Faniniana: (tsiny) a.: Fanamafisana vy amin'ny fanampiana na fanofanana azy. Ahitsio
Faninina: (fanina) a.; mt.ih. (fanino): Atao fanina, mandraingiraingy: Nofanininy tamin'ny teny henjana uariraraka aho. Ahitsio
Faninjirana: (hinjitra) a.: Fanenjanan, fampiridiridian, Ahitsio
Faninjitra: (hinjitra) a: Fomba entina maninjitra, manenjana, mampiridiridY. Ahitsio
Faninta: (sinta) a.: Toetran'ny faritra maninta amin'ny tena. Ahitsio
Fanintahana: (sintaka) a,: Fampisarahana, fanangolena vadin'olona. Ahitsio
Fanintaka: (sintaka) a.: Fomba entina manintaka 1 p. t.: A-zo asintaka. Ahitsio
Fanintelo: na Fanintelony p. mt.: Famerenana asa iray hatramin'ny intelo. Ahitsio
Faninterahana: (tanteraka) a.: Fandoahana hatrany ambadika, fanagorobahana. Ahitsio
Faninteraka: (tanteraka) a,: Fomba entina maninteraka, fomban'ny zavatra maninteraka, Ioaka hatrany ambadika. Ahitsio
Fanintona: (sintona) a.: Fomba entina manintona. 1 p.t.: A-zo sintonina. Ahitsio
Fanintona: na Fanintontsintona (sintona) a.: Aretin-kozatra mpahazo ny zaza indrindra, izay mahatonga azy hihinjitrinjitra ka tsy mahatsiaro tena izy amin'izanY. Ahitsio
Fanintonana: (sintona) o.: Fitarihana, fisarihana; fandroritana. Ahitsio